Filoha Rajoelina Andry mivady : ankizy 7200 nahazo fanomezana tany Atsimo Andrefana

Niverina tao Toliara in­dray, omaly, ny filoha Ra­joelina Andry mivady ary nizara kilalao sy kojakoja samihafa ho an’ny ankizy 2 hatramin’ny 14 taona, miisa 7 200. Tafiditra amin’ny tetikasa, iarahana amin’ny “Sama­ritan’s Pruse”, any Etazonia izy io ary mandray izany eto ny ONG Tetikasa ankizy krismasy (Tak). Fanomezana avy amin’ny zaza amerikanina manangom-bola mandritra ny taona iray izao nozaraina izao ka ahitana fanomezana samihafa, toy ny fitaovam-piana­rana, akanjo, na fitaovana hafa… Miisa 44 kaontenera izany ary hozaraina amin’ny ankizy380.000 manerana ny faritra 23.
Anisan’ny nisitraka izany ny mpianatra avy amin’ny tsy miankina sy ny avy amin’ny fanjakana koa. Notsiahivin’ny filoha tamin’izany fa misy adiresin’ny ray aman-drenin’ ireo nanome ireny fanomezana ireny ka afaka mifanoratra amin’ireo zaza any Etazonia sy ireo ray aman-dreniny ireo zaza malagasy. Misy amin’izy ireny no afaka miantoka ny fianaran’ny mpianatra mifanerasera aminy. “Manohana izao tetikasa izao izahay mivady. Mendrika hafaliana ny zaza malagasy”, hoy izy.

Ny fitiavana tsy mahalavi-tany
Nialoha izany, nihazo ny tany Morombe, anisan’ny distrika tsy afa-bela tamin’ny rivodoza Freddy koa izy ireo. Novalian’ny filoha ny fan­gatahana nataon’ny ben’ny Tanàna ka handefa paompy fandritrana rano any an-toerana ny fanjakana hanamainana ireo toerana dibo-trano. Ho­mena milina vaovao mpamokatra herinaratra “Groupe” koa ny ao an-toerana hama­hana ny olan’ny delestazy. Nitohy amin’ny fanomezana “Kits solaires” avy amin’ny filoha izany ka hisitraka izany avokoa ireo mponina ao Morombe. Tsy vitan’izany fa notoloran’ny filoha moto miisa sivy ireo ben’ny Tanàna avy amin’ny kaominina sivy. Mbola nanolotra kamiao mpitaona fako ho an’ny tanànan’i Morombe hanadio ny ao an-toerana ny filoha. Eo koa ny fiara mpitondra marary. “Ny fitiavana tsy mahalavi-tany ary mahazaka maniraka”, hoy ihany izy. Nitohy tamin’ny fizarana vary 25 kilao avy, menaka sy siramamy ary voamaina, miampy kojakoja sy hazavana amin’ny herin’ny masoandro ireo mponina traboina sy sahirana ao amin’
ireo fokontany efatra ao an-tampon-tanànan’i Morombe. Miisa 600 ireo nisitraka izany. Mbola nizara sakafo ho an’ireo traboina sy sahirana teny amin’ny sekolin-dry masera koa ny filoha mivady.

Synèse R.

Partager sur: