Sambo rendrika : razana 11 natsingevan’ny rano, tafakatra 32 ireo maty

Mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao ny raharaha momba ilay sambo rendrika saika hitondra olona antsokosoko atsy amin’ny Nosy Mayot­te. Omaly, niampy 11 ny nofo mangatsiaka hitan’ny mpitandro filaminana, tany akaikin’ny Nosy Faly. Vehi­va­vy ny dimy tamin’ireo maty, lehilahy ny efatra raha toa ka zaza kosa ny roa. Ankehitriny, mitotaly 32 ireo vata-mangatsiaka ary avy ao Ambilobe ny ankabeazan’ireo maty. 24 kosa ireo olona velona sy avo­tra tamin’iny loza iny amin’izao . Ankoatra izay, misy efa any Mayotte ny iray tamin’ireo renin’ilay zaza maty, hoy ny loharanom-baovao iray. Araka ny fanadihadiana, efa naiditra am-ponja vonjimaika ny sabotsy teo ny olona iray voalaza ho atidoha nikotrika ity fanondranan’olona antsokosoko ity.
Hentitra
Etsy ankilany, nanameloka ny endrika trafika sy fanondranana olona antsokosoko avy eto Madagasikara ny “organisation international pour les migrations” (OIM) taorian’ny zava-nitranga. Na­namafy ity sampandraharaha ity fa hifanohana amin’ny fitondram-panjakana malagasy hifehezana ny fiondranana antsokosoko. Nohamafisiny fa tsy nitsaha-nitombo izany nanomboka ny taona 2020 saingy tsy voafehin’ny fitondram-panjakana. Ankilan’ izay, nanamafy ny minisitry ny Fitsarana fa ho hentitra ny sazy hoan’ny tompon’antoka tamin’iny tranga namoi­zan’ain’olona maro iny. Tsia­hivina fa tsy vao izao no nisy trangana fiondranana antsokosoko hamoizanain’olona. Tsy vitan’ny very vola ireo olo­na fa mbola tapitra ny ainy. Fantatra fa manomboka amin’ny 3 ka hatramin’ny 12 tapitrisa Ar ny sandan’ny fandehanana amin’izany.

Henintsoa Hani

Partager sur: