Fifidianana filoham-pirenena: malalaka amin’ny kandidà hotohanany ny mpikambana Avi

Nitohy tany Toliara indray ny fihaonamben’ny antoko Avi. Nitarika izany tany an-toerana ny filoha nasionaly teo aloha, Ratsirahonana Norbert Lala. Mazava ny nambarany momba ny fifidianana
filoham-pirenena.

Nambarany fa ao anaty fitondrana ny Avi amin’izao fotoana izao ary tsy mbola manana kandidà hotohanana. Mbola tsy nisy nanao fanambarana ho kan­didà na efa hita soritra aza ny sasany. Nomeny toromarika ireo mpikatroka eo anivon’ny antoko, manoloana izany. “Tsy manana kandidà manokana isika amin’ny fifidianana filoham-pirenena ka manana safidy malalaka amin’ny hotohanana ny mpikambana. Fa­hafahana sy zon’ny tsirairay izany”, hoy izy. Namaly ny fanakianan’ny sasany ny mpikambana Avi Rabenirina Jean Jacques sady depiote ny tenany. Hentitra Ratsirahonana Norbert Lala fa miaraka amin’ ny kandidà zanak’i Toliara izy ka tsy misy olana izany. “Tsy zazakely izy io fa profesora. Manana ny safidiny manokana izy ary tsy anomezana tsiny azy izany. Iray faritra aminy izany mety ho kandidà izany”, hoy ihany izy. Midika izany fa nahazo ny tsodranon’ny Avi hiara-dia amin’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny izany Rabenirina Jean Jac­ques.

Handeha irery amin’ny depiote sy ben’ny Tanàna

Nampiomana mialoha koa anefa ity antoko ity fa mila vola sy fitaovana ary ny hoenti-manana izany fifidianana filoham-pirenena izany. Aoka tsy handrebireby vahoaka rehefa tsy manana ireo voa­laza ireo, araka ny nambarany. Noraisiny ho ohatra tamin’ izany ny nanohanany ny fi­loha teo aloha Ravalomanana Marc, ny taona 2002 rehefa tsy nanana ny hoenti-manana ny tenany ka nanatsoahany ny filatsahan-kofidiany.
Na izany aza, nampio­mana ireo mpikambana Avi ny tenany fa handeha irery kosa amin’ny fifidianana de­piote sy ben’ny Tanàna ary mpanolotsaina.
Nanentana ny rehetra hi­soratra anaty lisi-pifidianana koa Ratsirahonana Norbert Lala mba hahafahana mandray andraikitra.

Synèse R.

Partager sur: