Handao tsy ho ela an’i Madagasikara ny solontenan’ny Vondrona afrikanina (UA) eto amintsika, Rtoa Hawa Ahmed Yousouf. Nitsidika ho fanaovam-beloma ny filohan’ny Antenimierandoholona (PS), Razafimahefa Herimanana, izy, omaly, tetsy amin’ny Lapa Anosy. Nisaorany ny fiaraha-miasa eo amin’ny UA sy ny Antenimierandoholona. Tsapany ny ezaka nataon’ity andrimpanjakana ity, eto an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, nitsinjo ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy.
Lafiny toekarena
Ho an’ny filoha PS, Razafimahefa Herimanana, azo tsapain-tanana ny asa vitan’ity solontenan’ny UA ity, nandritra izay sivy taona niasany teto Madagasikara izay. « Tanjon’ ny fiaraha-miasa ny hisian’ny fitoniana sy ny filaminana eto amin’ny firenena », hoy ihany izy.
Anisan’ny noresahan’ny roa tonta koa ny fifandraisana ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’ny kaontinanta afrikanina, ka anisan’izany i Madagasikara. « Mila hamafisina ny fifandraisan’i Madagasikara sy ireo Nosy manodidina. Antoka iray hampitoboana ny harinkarena, hamorona asa, hanatsara ny toekarena malagasy », hoy Rtoa Hawa A. Yousouf.
Njaka A.