Hanala ny ahiahin’ny maro ? Nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, omaly, teny Ambohimanarina fa handalo fitsirihana na « audit » ny rindrambaiko sy ny fikirakirana ara-kajimirindra entin’izy ireo mikirakira ny fifidianana. Hisahana izany ny eo anivon’ny Frankofonia (OIF) ka hanomboka amin’ny herinandro ny fitsirihana. “Hampahafantarina ny rehetra ny ho vokatr’izany mialoha ny 23 marsa”, hoy izy.
Nanteriny fa manao ny ezaka rehetra ho amin’ny zotram-pifidianana azo antoka sy mangarahara, fa indrindra andraisan’ny rehetra anjara, ny eo anivon’ny Ceni.
Fihaonambe momba
ny fifidianana
Anisan’ny dingana lehibe amin’izany ny dinika hifanakalozan-kevitra amin’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana ny faha-24 marsa ho avy izao. Handray anjara amin’ izany ny firaisamonim-pirenena, ny mpanao politika, ireo avy amin’ny haino vakijery ary ireo vondrona sy rafi-piarahamonina samihafa.
Tsiahivina fa nanao fanentanana tamin’ireo mpilalao baolina kitra miisa enina mandrafitra ny Barea Chan, teny Ambodivonkely, Ambohimanarina ny eo anivon’ny Ceni, tamin’izany. Nanamarika izany ny fisoratan’ny mpilalaon’ny Barea, i Dax anarana tamin’ ny lisitry ny mpifidy teny anivon’ny fokontany.
Miandry ny tetiandrom-pifidianana filohan’ny Repoblika
Etsy andaniny, nanambara ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly fa tsy mieritreritra ny tsy hamoaka ny datin’ny fifidianana kaominaly izy ireo. “Miandry ny fivoahana amin’ny fomba ofisialy ny tetiandron’ny fifidianana filohan’ny Repoblika izahay”, hoy izy. Manome tombondahin’ny fifidianana nasionaly na ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ny fanatanterahana fifidianana ny lalàna.
Hifarana amin’ity taona ity ny fe-potoam-piasan’ireo olom-boafidy eny anivon’ny kaominina. Nefa tsy mety ny mitsambiki-mikimpy hamaritra datim-pifidianana amin’ izany, raha tsy mazava ny tetiandro amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Andrasana ny fivoahan’izay amin’ ny fomba ofisialy. Ao anatin’ izany no hahitana izay mety hampidirana ny fifidianana kaominaly.
Synèse R sy R Nd.