Zakahely Boniface momba ny fifidianana : “Tsy azo eritreretina hoe tsy misy vola ny fanjakana”

“Tsy azo heverina ny hoe tsy hisy vola hanatanterahana fifidianana ny fanjakana”, hoy ny depiote teo aloha, i Zakahely Boniface. Tamin’ny fitondrana tany aloha, volan’ ny fanjakana no nanatanterahana fifidianana ary tsy naka vola tany ivelany.

Amin’ny ankapobeny, tsy afa-miala ny fitondram-panjakana raha manaraka ny lalàmpanorenana. Tokony hisy fifidianana roa na telo farafahakeliny amin’ity taona ity. Eo ny fifidianana filohan’ny Repoblika fihodinana voalohany sy faharoa ary ny fifi­dianana ben’ny Tanàna. Efa tapitra ny fe-potoam-piasan’ izy ireo raha tsy hoe handika lalàna, ka toy ny kilalao ny tsy fanajana lalàmpanorenana.

Miankina amin’ny finiavana potika ny fanatantera­hana ny fifidianana sy ny enti-manana. Ny vahaolana tsara indrindra: ahoana no hahazoantsika mifampiresaka? Tsy misy zavatra tsy vitan’ny fi­fampiresahana. Tsotra ny tsy mampandroso an’i Madaga­sikara: tsy mbola nisy mpanao politika nahazo fahefana teto. Satria amin’ny maha Nosy an’ i Madagasikara: tsy maintsy ny fiombonambe iraisam-pirenena ihany no mametraka ny fitondrana eto, ary izy ihany no manala izay tsy ilainy. Sa­rotra be ny miala amin’izany.

R. Nd.

Partager sur: