Nilaza ho nandoa 70 tapitrisa Ariary ny fianakaviana! Avotra soa aman-tsara, izy telo mianadahy takalonaina tao Morarano Chrome, Andilamena, 20 andro taty aoriana.
Votsotra teny am-pelatan’ireo dahalo mpaka an-keriny ireo telo mianadahy nalaina an-keriny tao Ambohimanarivo-Morarano Chrome, distrikan’Amparafaravola. Hita omaly tokony ho tamin’ny 7 ora maraina tany anelakela-tendrombohitra tao Maizinandro, fokontany Antevana, kaominina Amboasary avaratra, izy ireo rehefa voatazona tao nandritra ny 20 andro. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tsy nitondra fanazavana mahakasika ity tranga ity ny mpitandro filaminana. Nohamafisiny kosa fa hisy ny fihaonana amin’ny mpanao gazety hanambarana ny zava-niseho rehetra.
Etsy ankilany, niparitaka tao amin’ny tambajotran-tserasera ny fanambarana nataon’ny fianakavian’ireo takalon’aina. “Marihina fa nandoa vola be 70 tapitrisa Ar izahay vao navotsotr’ireo dahalo ny zandrinay”, hoy ny fanambarana. Notohizany fa nomena an’ireo mpaka an-keriny ny talata efa ho maizin’andro ny vola ary navotsotra avokoa ny takalon’aina rehetra . Vokany, niara-nisalahy nitady azy telo mianadahy ny fokonolona sy ny zandary saingy omaly vao nahitam-bokany izany.
Tsy niara-niasa
Tsy nipetra-potsiny tamin’ity tranga ity ny mpitandro filaminana vantany vao naheno iny trangana fakana an-keriny iny. Nisy ny hetsika “harato” natao hisamborana sy hanenjehana ireo dahalo. Nisy mihitsy ny didy fikarohana navoakan’ny mpitandro filaminana. Hatramin’izao, olona 11 no lavo. Ireo mpitandro filaminana 300 kosa mbola manao ny fikarohana any amin’ny faritr’Amparafaravola sy ny manodidina. Ankilan’izay, nifanaraka mangina tamin’ireo malaso anefa ny fianakavian’ireo takalon’aina. Izany hoe tsy niara-niasa tamin’ny mpitandro filaminana tamin’ny fitadiavana ny havany noho ny tahotra ny hamonoan’
ireo olon-dratsy ny havany. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Henintsoa Hani