Voalazan’ny tatitry ny fitsarana, anatin’ny fari-piadidiam-pitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, manana rantsamangaikam-pitsarana ambaratonga voalohany enina (Toamasina, Vatomandry, Ambatondrazaka, Moramanga, Maroantsetra, Fenoarivo Atsinanana), samy anatin’ny faritan’i Toamasina, fa tsy misy afa- tsy 793 ny antontan-taratasin’ady momba ny ady heloka bevava voatsara, ny faran’ny taona 2021. Mitotaly 2 661 ny antontan-taratasin’ady notsaraina ny taona 2022 ary tsy nisy afa-tsy 1 853 ny voatsara. Vokany, niakatra ho 808 ny antontan-taratasin’ady tsy voatsara ka lasa vary mangatsiaka ho an’ny taona 2023. Tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, 2 339 ny antontan-taratasin’ady ambim-bava momba ny ady heloka bevava taona 2021 raha miisa 4 218 ny vaovao izay mitontaly 7 157 ny antontan-taratasin’ady hotsaraina fa saingy tsy nisy afa-tsy 3 244 ny voatsara ka nametraka ambim-bava 3 913 ny faran’ny taona 2022 miandry ny fotoam-pitsarana 2023. Ho an’ny fitsarana ambaratonga voalohany Vatomandry indray, nametraka ambim-bava antontan-taratasy tsy voatsara 267, ny faran’ny taona 2021 raha 273 ny ambim-bava ny faran’ny taona 2022. Fitsarana ambaratonga voalohany Ambatondrazaka, ho an’ny ady heloka bevava, nametraka antontan-taratasy miisa 110 ny faran’ny taona 2021. Toy izany koa ny fitsarana ambaratonga voalohany Moramanga, tsy nisy afa-tsy antontan-taratasin’ady efatra tsy voatsara ny faran’ny taona 2021 raha 1 410 ny vaovao mitontaly 1 414 ny hotsaraina ny taona 2022 fa tsy nisy afa-tsy 1 399 ny voatsara ka niakatra izany. Nahatratra hatramin’ny 17 883 ny antontan-taratasin’ady heloka ny taona 2022 ho an’ny faritanin’i Toamasina izay nametraka ambim-bava tsy voatsara hatramin’ny 5 751 araka ny tatitra natao tamin’ny fanakatonana sy fanokafana ny taom-pitsarana 2023 ny 17 febroary lasa teo. Olana mahatonga ny fahatarana amin’ny fotoam-pitsarana ireo antontan-taratasin’ady ny tsy fahampian’ny mpitsara, araka ny fanazavan’ny mpampanoa lalàna ambony mpisolo toerana.
Sajo