Ady amin’ny « Kidnapping »: “Olona sahy sy vonona no ilaina”, hoy ny Praiministra

Nanatanteraka fivoriana any amin’ny faritra Alaotra Mangoro ireo tomponandraikitra ambony rehetra misahana ny fandriampahalemana eto amintsika na ny OMC Nasionaly. Hofongorina tanteraka ny tsy fandriampahalemana, amin’ireo faritra ireo, indrindra ny fakana an-keriny.

Nodinihina manokana tamin’izany ny momba ny paikady hiadiana amin’ny fakana an-keriny anivon’ny tontolo ambanivohitra. Tafiditra ao anatin’izany manokana ny faritra Alaotra Mangoro, vao nisehoan’ny fakana an-keriny, naharitra 20 andro farany teo. Eo koa ny eto anivon’ny faritra Anala­manga, indrindra iny any amin’ny manodidina an’An­jozorobe sy Ankazobe, mifandray amin’ny any Alaoatra Mangoro ary hatrany Be­tsiboka. Anisan’izany ny any Tsaratanana, mifandray sisintany amin’Analamanga sy iny Ambatondrazaka iny.
Nojerena amin’ny antsipiriany mihitsy ny fototry ny olana hametrahana paikady hamerenana indray ny filaminana sy fandriampahalemana maharitra ho an’ireo faritra telo ireo.
Eo koa ny hanavaozana ny fomba fiasa sy ny fampiharana izany drafitra vaovao izany ka hapetraka mba hahitana vokatra mahomby.
Ho fantatra ireo tena atidoha

Mazava ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian fa olona vonona sy sahy, araka izany, no ilaina. “Hanarina ny zava-misy, ho tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena”, hoy izy.
Araka izany, tokony hampihena na hanafoana tanteraka ity fakana an-keriny mahazo laka any amin’ireo faritra telo izao fivoriana izao fa tsy ho eny ambony latabatra fotsiny ihany. Ho hita taratra koa ny tohin’ny fanadihadiana sy ny famotorana ary ireo tena atidoha miketrika izany.

Synèse R.

Partager sur: