Nitatitra ny ezaka vita tamin’ny taona lasa ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, omaly, tamin’ny fivorian’ny filankevitra monisipaly tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna. Anisan’izany ny fahavitan’ny fotodrafitrasa, toy ny tsena Anosy, Coum 67 ha, Behoririka, Zaimaika.
Eo koa ny fampidirana ny mpivarotra ao amin’ny sehatra ara-dalàna ka mihoatra ny 20 000 ireo nahavita ny “Enrôlement” mba hahafahan’izy ireo mandoa ny haban-tsena tsy misy kolikoly.
Fako sy lalana ary fandriampahalemana
Eo amin’ny sosialy, nisongadina ny fikarakaran’ny CUA ireo traboina miisa 60 000 tamin’ny tondradrano, ny taona 2022. Miisa 250 ireo tsy manan-kialofana karakaraina ao amin’ny Akany Iarivo Mivoy. Manampy izany ny hetsika fanaovam-baksiny Covid-19.
Nisitraka fiara sy moto miisa 150 ny kaominina, nandritra ny telo taona ka azo tamin’ny taona lasa ny 60% amin’izany. “Hampiasaina amin’ny fako, lalana, fandriampahalemana izany fitaovana izany”, hoy izy.
Etsy andaniny, miisa 13 ireo EPP nohavaozina. Eo koa ny fanamboarana lalankely sy “Pavé”. Nohatsaraina ireo trano famakiam-boky manerana ny boriborintany 6. Maromaro ireo fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa, miisa 70 tamin’ireo mponina eny anivon’ny fokontany sy ireo fikambanana maro samihafa.
Nampiditra Polisy monisipaly miisa 100 sy mpamonjy voina 70, misahana ny filaminana sy fandriampahalemana ary ny vonjy voina koa ny CUA.
Hampitombo ny zava-bita
Nambaran’ny ben’ny Tanàna fa anisan’ny laharam-pahamehana ihany ny fanamboaran-dalana ary efa manomboka izany ka iarahana amin’ny faritra Analamanga sy ny minisiteran’ny Asa vaventy. Efa miezaka koa ny CUA amin’ny fandraofana fako sy ny fanentanana ireo mponina mba hanaja ny fitsipika amin’ny ora hanariana ny fako.
Tsiahivina fa mitentina 29 miliara Ar ny vola niditra tamin’ny CUA ny taona 2022 ary nampiasaina araka ny filan’ny mponina izany. Nambaran’ny ben’ny Tanàna fa niompana amin’ny fanarenana sy fanavaozana ny rafitra ny telo taona mba hanatsarana ny vola miditra. “Hiezaka isika hampitombo ny zava-bita amin’ity taona ity”, hoy izy.
Synèse R.