Nisy nandroba ny trano fitoeram-basy ao amin’ny fonjan’i Vavatenina, afakomaly. Very tao an-toerana ny basy miisa efatra sy ny bala maro.
Tsy mampino! Very tao amin’ny fonjan’i Vavatenina, afakomaly, ny basy Mas 36 miisa telo niaraka tamin’ny bala 59. Nisy nangalatra ihany koa ny basy poleta iray sy ny bala 47 miaraka aminy. Araka ny vaovao voaray, nisy niditra ny fitoeram-basin’ny fonja ka voaroba tao ireo basy ireo. Afakomaly, tokony ho tamin’ny 6 ora hariva teo, nilaza ho tratry ny tsy fahasalamana tampoka ilay mpandraharahan’ny fonja ka niala tao amin’ny biraony. Minitra vitsy taorian’io, taitra ny tenany raha nahita ny varavaran’ny birao sy ny varavaran’ny toerana fitoeram-basy nisokatra rehefa niverina. Maritoa iray sy bala iray no hita teo amin’ny tany nandritra izay. Teo no ho eo ihany, nampandre ny lehibeny ilay mpandraharahan’ny fonja. Nisokatra ny famotorana. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-nisy ny mpitandro filaminana. Voalaza tamin’izay fa teo anelanelan’ny tamin’ny 6 ora sy tamin’ny 6 ora sy sasany hariva no niseho ny halatra. Tamin’izay no nandao ny biraony ilay mpandraharahan’ny fonja. Nanararaotra namaky izany kosa ny olon-tsy fantatra. Taorian’io, nosavain’ny lehiben’ny distrika ireo voafonja rehetra ary tsy nisy banga ny isan’izy rehetra.
Savahao
Nanome baiko ny hanaovana fisafoana ny faritra mafana ao an-toerana ny mpampanoa lalàna ambaratonga voalohany eo anivon’ny tribonaly Fenoarivo Atsinanana. Voatonona anatin’izany ny fokontany Badrakatra sy Andranomainty ary Bemasoandro. Tsy maintsy hanaovan’ny mpitandro filaminana fisafoana ihany koa Andamasinina sy ny kaominina rehetra ao amin’ny distrikan’i Vavatenina. Nametrahana barazy sy savaina avokoa ny fiara sy ny olon-tsotra mandalo. Ankoatra izay, nomena baiko ny mpitandro filaminana miasa ao Sahatavy sy Ambohibe hisava ny olona rehetra avy any Vavatenina. Nametrahana barazy ihany koa eny RN22 eo amin’ny PK 30 mihazo an’i Fenoarivo Atsinanana. Toy izay ihany koa ny eo amin’ny PK 37 mihazo an’Anjahambe. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tsy mbola fantatra ny laharan’ireo fitaovam-piadiana very. Heverina ny handefasana alika mpitsongo dia avy ao Toamasina. Andrasana ny tohin’ny famotorana.
Henintsoa Hani