Zava-doza no miseho eo anivon’ny zandarimariam-pirenena! Tsy voahaja intsony ny fiarovana ny tsiambaratelo. Nijabaka hatramin’ny sekreteram-panjakana, ny Jly Gellé Serge!
Tandrevaka sa fanahy iniana? Nisy namoaka tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera “facebook” ny horonampeo nifampiresahan’ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg), ny Jly Serge Gellé. Horonampeo mirakitra ny tsiambaratelo rehetra momba ny fandaminana anatiny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Indrindra ny famahana ny olana iray niseho tany amin’ny faritra SAVA.
Manolona izany nisy ny fihaonana teo amin’ny fibaikoana ny zandarimariam-pirenena sy ny mpanao gazety, omaly, tao amin’ny Toby Ratsimandrava. Nandritra izany, nitondra fanazavana ny tale misahana ny fikarohana ny fandikan-dalàna eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Mamelison Mbina Nonos. Nambarany fa ny 24 marsa lasa teo, nisy famoahana voalohany ilay horonampeo. Noho izany, tsy maintsy nanokatra fanadihadiana ny eo anivon’ny zandarimaria. “Nanao ahoana ny nivoahan’io horonampeo io? Nalefan’ny Seg tao amin’ny vondrona whatsApp-n’ny zandarimariam-pirenena io. Natao izany mba hampitana baiko. Ny Seg mampita baiko amin’ireo olom-peheziny”, hoy hatrany ny fanazavany. “Fandikan-dalàna izany satria voararan’ny lalàna”, hoy hatrany izy.
Rehefa natao ny fanadihadiana rehetra, niainga avy ao amin’ny vondrona Whats App an’ny zandarimaria dia ny sampandraharaha misahana ny fikarohana heloka ana habaka no misahana ny famotorana. Nambarany fa mizotra antsakany sy andavany ny fanadihadiana ary efa fantapantatra ireo mety nanao io fandikan-dalàna io. Manaja hatrany ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana isika sy ny zo tsy mahameloka ny olona iray mbola tsy voatsara, raha ny nambarany hatrany. “Afaka fotoana fohy, ho tapitra ny fanadihadiana ka aoriana izay no hamantarana ny marina rehetra”, hoy izy.
Tsy mbola nisy ny fisamborana hatreto…
Olona manodidina ny 15 no hanaovana fanadihadiana teknika momba ilay horonampeo. Tsy mbola misy ny voasambotra. Nambaran’ity manamboninahitra jeneraly ity hatrany fa tsy mandeha aloha ny fanaovana famotorana, ny fisamborana. “Antsoina kosa ilay olona, atao ny fanadihadiana ka rehefa misy ny vesatra vao miroso amin’ny fisamborana satria tsy maintsy hajaina koa ny fahalalan’ny tsirairay voasoratra ao amin’ny lalàna”, hoy hatrany izy, nanohy ny fanazavana.
Maromaro ireo tsy maintsy hanaovana famotorana (ny facebook, ny vondrona whatsApp). Tsy latsaky ny 80 isa ireo ao anatin’ny vondrona WhatsApp an’ny zandarimaria. Izy ireo no tsy maintsy anaovana famotorana tsirairay tamin’ny famoahana ity horonampeo ity.
“Mety ho olon-tsotra koa anefa fa mety ho olona ato amin’ny zandarimaria ihany, mety any amin’ny mpitandro filaminana hafa ihany koa no nanao ireny”, hoy ny Jly Mamelison Nonos.
Nezahina nantsoina ihany ny Seg momba ity raharaha ity saingy tsy namaly ny antso an-telefaonina izy. Izy anefa no anisan’ny tena lasibatra voalohany tamin’ny fihetsika izay tao ambadik’ireny fanaparitahana horonampeo ireny. Niaraha-nandre ny fikasan’ny sasany haka ny toerany. Teo koa ny tsy nahitana azy nanao fisafoana ny andian-tafika nandritra ny fankalazana ny 29 marsa lasa teo. Mazava ho azy ny fifonana ampahibemaso nataony tany Antsirabe ireny, mahakasika ny zava-nisy izay nanaratsy endrika ny zandarimariam-pirenena izay izy no tomponandraikitra voalohany.
Tantara mitohy!
Jean Claude/Tsiferana R.