Disadisa an-tokantrano : notaperin-drangahy ny aim-badiny

Noleran-drangahy antsy, novonoiny ho faty ary naleviny tao an-tokontany ny vadiny, tao amin’ny fokontany Tsaraman­droso, Toama­sina II, ny alahady tolakandro teo. Tonga nijery io anabaviny io tany an-trano ny anadahiny saingy mi­hi­dy ha­trany izany. Nanatona ny bi­raon’ny fokontany misy ny anabaviny hanontany vaovao ilay lehilahy. Nampandre ny mpitandro filaminana taorian’izay ireto farany. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny zandary. “Efa herinandro tsy nisy olona ny trano”, hoy ny manodidina. Nokarohina ny vadin’io vehivavy tsy hita io. Natao fanadihadiana izy taorian’izay. Rehefa ho savaina ny trano, nanambara io lehilahy vadin’ilay vehivavy io fa tsy hita ny fanalahidy. Nopitsohan’ ny mpitandro filaminana ny trano kinanjo nikorontana tanteraka ny tao anatiny. Tsy vitan’io, feno rà niparitaka.

Nalevina tao an-tokontany…
Noteren’ny mpanao fanadihadiana hilaza ny zava-nisy ma­rina, arak’izany, ilay lehilahy. Nilaza tamin’izany ilay rangahy fa novonoina tokoa ny vadiny. Naleviny tao an-tokontany ihany ny razana rehefa vita ny habibiana. Natao ny fa­nama­ri­nana io tranga io. No­hadiana ny fasika voatondro ho misy io vatana mangatsiaka io. Akory ny hatairan’ilay anadahin’io ramatoa io nahita ny iray tampo aminy efa razana nofonosina plastika sy tsihy. Noza­han’ny mpitsabo, feno dian’antsy sy efa simba tanteraka ny razana.

Sajo/ Tsiferana R.

Partager sur: