Vono olona sy halatra 10 tapitrisa Ar : anisan’ireo nohenoin’ny fitsarana ny vadin’ilay ramatoa

Mbola mitana ny sain’ny maro ilay raharaha vonoan’olona feno habibiana teny Amboalefoka, fokontany Anjeva Gara, ny herinandro teo. Anisan’ireo niakatra fampanoavana, omaly, ny vadiny niaraka tamin’ireo lehilahy fito hafa sy vehivavy iray…

Natolotra ny fampanoavana, omaly, ireo olona voarohirohy tamin’ ilay raharaha vonoan’olona feno habibiana nitranga teny Amboalefoka, fokontany An­jeva Gara, ny herinandro lasa teo. Isan’ireo voarohirohy tamin’ity raharaha ity ny va­diny niaraka tamin’ireo mpiasan’ilay renim-pianakaviana ary vehivavy iray. Nandalo nifandimby nohenoin’ny mpi­tsara mpanao famotorana (Juge d’instruction) ireto voarohirohy ireto. Hatramin’ny omaly alina, ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka izy ireo. Marihina fa hita faty tao an-tranony ity renim-pianakaviana 36 taona manan-janaka roa ity. Nofatorana tamin’ny tadina chargeur ny tanany, nototana vazy ny lohany, avy eo nokendaina tamin’ny bo­do­fotsy. Tsy vitan’izay fa mbola nototofana lamba ihany koa. Araka ny fanazavan’ny dadafarany, R. Jean François. Tsy nisy entana very tao an-trano tamin’io fotoana io fa vola 10 tapitrisa Ar nipetraka tao amin’ ny valin-drihana no lasan’ireo nahavanon-doza. “Io vola io anefa tsy misy mahafantatra mihitsy ny toerana misy azy raha tsy izy sy ny vadiny ihany”, hoy ny fanazavana. Nohama­fisiny fa miahiahy ho vonoan’ olona efa nomanina ny fianakaviany. Tsy nisy trano vaky tamin’io fotoana io fa vehivay iray mipetraka eny Ambohi­dra­zaka Alasora no hita nia­raka taminy tamin’io fotoana io. Mpandraharaha mpanangom-bokatra legioma ka mi­varotra izany any Toamasina ny asany miaraka amin’ny vadiny. Am­bentin-dresaky ny fianakaviany hatrany ny hi­voahan’ny ma­rina amin’izao raharaha izao. Mialoha izao, efa nanana olana ara-tokantrano ity renim-pianakaviana ity satria matetika no iharan’ny herisetra ataom-badiny izy. Efa tonga hatrany amin’ny fandrahonana ho faty mihitsy izany, araka ny fanazavan’ny fianakaviany hatrany.

J.C

Partager sur: