Trophée Babacar Ndiaye 2023: norombahin’ny filoha Andry Rajoelina

Tompondaka indray! Norombahin’ny filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina, ny “Trophée Babacar Ndiaye 2023″. Natokana ho an’ny fananganana fotodrafitrasa izany.

Misongadina hatrany ! Nomen’ny “Comité de sélection de The Africa Road Builders”, nivory ny faran’ny herinandro teo, tao Dakar, Sénégal, ny filoha Andry Rajoelina ny amboaran’ny “Babacar Ndiaye 2023”. Anisan’ny nahazoana izany ny tatitry ny “Réseau Médias pour les infrastructures et la Fi­nance en Afrique – Mifa”, iarahana amin’ny Bad. Naha­feno ny fepetra sy ny sivana ho nahavita be indrindra aty Afrika eo amin’ny fotodrafitrasa sy ny ezaka nataony ny filoha Andry Rajoelina.
Anisan’ny nojerena ny lalana sy ny fitaterana aty Afri­ka. Torak’izany ny trano fonenana sosialy miisa 720, manerana ny Nosy. Ny nahavitana CSB miisa 122, efa nametrahana fitaovana ny 104 amin’izany. Miisa 25 ny hopitaly manara-penitra najoro raha miisa 30 kosa ny kianja manara-penitra, miampy ny “Gym­nase” miisa 18.
Mikasika ny fitaterana, nanangana toby fiantsonana miisa telo sy toerana fakana aina ho an’ny mpandeha miisa fito ary seranam-piaramanidina miisa efatra. Manampy iza­ny ny lalana “Rocade Ia­rivo”, Nahitana ny lalana ho an’ny mpandeha an-tongotra sy ny natokana ho an’ny kodiaran-droa. Mifanindran-dalana amin’izay, anatin’ny masontsivana koa ny fahaiza-mitantana sy ny fandraisana andraikitra ary koa ny fampiasam-bola ho an’ny fampandrosoana.
Hatolotra ny filoha Rajoe­lina amin’ny fivorian’ny Bad, any Ejypta, ny 26 mey izao ny loka ho amin’izany.

Fetin’ny mpiasa
Navoitran’ny filoha tamin’ny fanambarany, ho fanamarihana ny fetin’ny asa, omaly, ary mifandraika amin’izao nahazoany ny loka eo amin’ny fanorenana fotodrafitrasa izao ny hampamiratra an’i Mada­gasi­kara. “Teo ianareo mpiasa nanatontosa sy tao ambadiky ny asa vitantsika rehetra. Na lalana, hopitaly, sekoly, kianja niarahana amin’ireo orinasa madinika na vaventy”, hoy izy. Tsy nohadinoiny ireo mpiasam-panjakana nanompo ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana, niaro ny vahoaka sy ny fananany ary ireo mpiasan’ny tsy miankina, marobe. Resy lahatra isika fa ny firaisan-kina no hahafahantsika mamita ireo vina rehetra navadintsika ho asa ka mitondra fanantenana ho amin’ny fampandrosoana, araka ny nambarany. “Hafa­liana lehibe ho ahy, ary reharehan’ny Nosintsika ny nahazoana ny loka « Super Prix Grand Bâtisseur » ho an’ny filoha afrikana . Tao ambadik’ireny fotodrafitrasa ireny ianareo mpiasa”, hoy izy.
Tsiahivina fa efa voafidy ho mpitondra mendrika amin’ny ady atao ho an’ny tsy fanjarian-tsakafo ny filoha Rajoe­lina, ny taona 2020. Tompon­daka amin’ny politikan’ny fandrindram-piterahana, ny taona 2022. Manampy izany ny nahazoany ny amboara maha tompondaka amin’ny fampiroboroboana ny indostria aty Afrika, niarahana amin’ny Onudi.

Synèse R.

Partager sur: