Fitsindronana “rôrô”” : mila lalàna manokana !

Tandindonin-doza i Madagasikara, manoloana ny fihanaky ny zava-mahadomelina mahery vaika “rôrô”. Tokony hasiana lalàna manokana ho famaizana ny fitsindronana izany, raha ny nambaran’ny filohan’ny Antenimieram­pirenena, Razanamahasoa Christine.

“Ny amin’ny tsy fandriampahalemana indrindra, na an-drenivohitra na ambanivohitra, ateraky ny firongatry ny zava-mahadomelina: efa mi­tobaka izao ny zava-mahadomelina mahery vaika toy ny hoe “rôrô”. Tena zava-doza sy mamoehatra ny “rôrô”, ka tokony hasiana lalàna manokana ho famaizana amin’izany fitsindronana izany.”Io ny anisan’ny kabarin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, tamin’ny fanombohan’ny fi­voriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena, teny Tsimbazaza, omaly. Mampirisika ny tomponandraikitra, indrindra ny misahana fandriampahalemana, handray andraikitra bebe kokoa ny amin’izany izy na efa fantatra ny ezaka ataon’izy ireo. Antsoiny koa ny vahoaka sy ny olom-boafidy hiara-hiezaka hampitomboana izany. Zava-manahirana ny amin’ny Jirama, mila fanazavana ny fidangan’ny faktiora nefa mbola miverina mahazo vahana ny delestazy.
Be ny asa vita eto amin’ny firenena. Nefa hita izao fa mbola maro ny ezaka sy fanatsarana tsy maintsy hefaina. Tsy ho vita ao anatin’ny fe-potoam-piasana voafetra avokoa ny filana sy ny manahirana. Mila fotoana ny famitana ny asa sasany. Nefa ny mora kokoa ny fampandrosoana, raha misy ny ezaky ny vahoaka malagasy amin’ny firaisan-kina. Eo koa ny amin’ny fahazotoana miasa sy ny fanarahana ny fitsipi-pifehezana ary ny didy aman-dalàna hialana amin’ireo toetra mamoehatra isan-karazany ataon’ny olom-boafidy sasany, ka zary toa mieritreritra fa tsy misy fitoniana.

Ny lalàmpanorenana ihany
“Amin’ny maha filohan’andrim-panjakana anay, izay voalazan’ny lalàmpanorenana ihany no tokony harahina”, hoy izy momba ny fiatrehana fifidianana. Na izany aza, tsy maintsy tohizana hatrany ny fanomanana samihafa amin’ny fifidianana toy ny momba ny fanatsarana ny lisi-pifidianana. Tsy maintsy mivonona mandrakariva isika, na tsy fantatra aza ny havoakan’ny ampitso.
Efa miha antomotra ny fotoam-pifidianana, araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana.
Saika efa hita eny an-kianja avokoa ireo mpisehatra politika maro. Nefa etsy ankilany, ao ireo mpisehatra politika mandroso hevitra ny hisian’ny fifampidinihana amin’ny lafiny samihafa mialoha ny hirosoana amin’ny fifidianana. Nandroso ny heviny koa ny firaisamonina sivily sy ny FFKM. Efa naneho fahavononana ny Ceni tamin’ny alalan’ny fandrosoana volavolana datim-pifidianana. Niantso ny ankolafin-kery rehetra hifanakalo hevitra momba ny fifidianana tamin’ny 24 marsa lasa teo izy.

R. Nd.

Partager sur: