Oniversite Farafangana: mpangalatra maty norasain’ny mpiambina antsy

Nifampitana tamin’ny mpi­andry tanàna, mpangalatra iray nitondra antsy matin’ny mpiambina tao amin’ny Oni­versite Farafarangana, afakomaly.
Sendra ny nahay azy! Maty vokatry ny vono natoan’ny mpiambina ny iray tamin’ireo mpangalatra niditra an-keriny ny faritry ny oniversiten’i Farafangana, ny talata teo. Niditra an-keriny tao amin’io toerana io ny mpangalatra telo lahy nitondra antsilava sy famaky. Tsy nisy fantatr’ilay mpiambina ireto olona ireto. Mailo, nanara-maso ireo olon-dratsy ny mpiambina. Tratra teo am-pangalarana fantsona miisa efatra niampy varavarankely fitaratra telo anefa ireo telo lahy tsy fantatra ireo. Raikitra ny sakoroka. Tsy nilefitra ilay mpiambina. Nifampitana tamin’ireo telo lahy ka voafira antsy teo amin’ny lohany, ny tanany ary ny tongony ny iray tamin’ireo mpangalatra. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana izy saingy tsy tana intsony ny ainy. Nirifatra nandositra ireo roa hafa namany.

Efa nangalatra…

Ny marain’io talata io, tsy hita ny varavarana lehibe kopa-droa miisa telo tao amin’ny oniversite. “Tsy tao ny mpiambina ny tanàna tamin’io fotoana io ka tsy fantatra ny naka ireo fitaovana ireo”, hoy ny fanazavan’ny zandary ao Farafangana. Niandry kendry tohina, arak’izany, ny mpiambina ny hariva. Sarona ireto telo lahy ireto izay nikasa haka ny fantsona niampy ny varavarankely. Niafara ta­min’ny fahafatesan’ny iray tamin’izy ireo izany. Ka­rohina ireo roa lahy tafaporitsaka.

Tsiferana R.

Partager sur: