Nikasa hanao fanafihana… : jiolahy telo indray rotiky ny balan’ny zandary

Rotiky ny balan’ny zandary nandritra ny fifampitifirana tao Ambohimandry, distrikan’ Arivonimamo, afakomaly, ireo andian-jiolahy nikasa hanao fanafihana tao an-toerana. Niainga avy ao Imerin­tsiatosika dia efa fantatry ny zandary ny fanafihana nokasain’izy ireo hatao. Name­traka ny vela-pandrika sy nanao fanarahan-dia ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohimandry sy Miantsoarivo, notarihin’ny chef de poste tsirairay avy. Napetraka mialoha ny fandrika hisorohana ny fanafihana. Nahitam-bokany izany satria nifanehatra tamin’ny zandary ireo jiolahy. Raikitra ny fi­fampitifirina satria nanohitra ny zandary ireto malaso. Tsy naharesy tosika anefa izy ireo ka maty voatifitra ny jiolahy telo. Tratra teny amin’izy ireo ny basy poleta efa mifahana, barre à pince, famaky sy sabatra, sakaosy feno akanjo. Ny fanadihadiana savaranonando no nahafantaran’ny zandary fa monina ao Itaosy ny roa amin’ ireo jiolahy voatifitra. Tom­pon’antoka tamin’ny fanafihana tao Anorana, kaominina Miandrandra/Arivonimamo, ny 16 avrily 2023 lasa teo, ry zalahy ireo. Nampitandrina hatrany ny zandary fa tsy mikoso-maso amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Mangataka tolo-tanana amin’ny vahoakan’Ambohi­mandry hatrany izy ireo mba hisorohana ny asa ratsin’ireo jiolahy toy izao.

Jean Claude

Partager sur: