Moto tsy misy jiro nifandona: olona iray maty, roa naratra mafy

Nampihoron-koditra! Maty tsy tra-drano ny iray tamin’ireo mpitondra moto nifandona tao anaty haizina teny Ambodimanga Analamahitsy, ny alakamisy alina teo. Maratra mafy kosa ny roa lahy tamin’ilay moto faharoa…

Maty tsy tra-drano tao anaty haizina ny mpitondra iray vokatry ny fifandonan’ny moto roa teny Ambodimanga Anala­mahitsy, ny alakamisy alina teo. Mafy ny fifandonana sa­tria potipotika tsy nisy noraisina ireo moto vokatry ny dona mafy. Araka ny fanazavana voaray avy amin’ny po­lisy misahana ny lozam-pifamoivoizana, vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza ka samy tsy nahafehy ny familiana intsony ireo mpitondra moto. Samy handeha hody izy ireo kanjo izao tra-doza tampoka izao. Voalaza koa fa tsy misy jiro ny iray amin’ireo moto ireo ka anisan’ny antony iray nitarika ny loza koa izany satria samy tsy nanampo na inona na inona nefa nandeha mafy. Nandria­ka nanerana ny arabe ny ran’ilay raim-pianakaviana namoy ny ainy. Torana tsy nahatsiaro tena ihany koa ireo roa lahy nandeha tamin’ilay moto faharoa nifandona tamin’ilay voalohany. Nentina haingana any amin’ny hopitaly ireo niharam-boina, saingy atahorana ny fahasalaman’izy ireo noho ny ratra mafy mahazo azy , raha ny fanazavana voaray hatrany.
Lohalaharana hatrany ny moto amin’ny loza…
Sesilany hatrany ny lo­zam-pifamoivoizana tato ho ato (na fiarakodia io na moto). Samy namoizana ain’olona avokoa izany. Tsikaritra fa anisan’ny fitaovam-pifamoivoizana be mpampiasa indrindra hialana amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana ny moto. Ny ankamaroan’ireo mpampiasa izany anefa misetrasetra eo ambony familiana avokoa. Manginy fotsiny ny fampiakarana ny tanjaky ny moto fa tsy araka izay nanamboaran’ny orinasa nivoahan’izy ireny azy. Eo koa ireo mpitondra moto mitsofotsofoka any anelanelan’ny fiara (miala fitohanana io). Tampoka anefa ny fiavian’ny loza ka eo indrindra no ilàna fitandremana. Tsy lazaina intsony ny fahasimban-dalana anisan’ny mitera-doza ihany koa ny fisian’ireo lavadavaka eny amin’ny arabe. Raha ny antontanisa nomen’ny eo anivon’ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana, lohalaharana amin’izany ny moto. Tsy misy afa-tsy ny fitandremana sy ny fanarahana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana hatrany ny fisorohana ny loza toy izao.

Jean Claude

Partager sur: