Raharaha Raissa : manaratsy endrika ny tontolon’ny fitsarana malagasy

Anisan’ny raharaham-pitsarana mahoraka amin’izao fotoana izao ny « raharaha Raissa ». Nomelohin’ny fitsarana 7 taona an-tranomaizina, manao asa an-terivozona ity renim-pianakaviana ity, rehefa voampanga ho nikasa ha­mono olona. Etsy ankilan’izay, miampanga ny tomponandraikitra ambony ao amin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny mpitsara ambony ho mpanao kolikoly, naka ny volabeny izy. Mifamotika eo ny andaniny sy ny ankilany. Raha tsiahivina, ity raharaha ity ihany koa no nahavoatonontonona ny minisitry ny Fitsarana teo aloha, ka tsy maintsy nanesorana azy fotoana vitsy taorian’ny fiparitahan’ny horonampeo tamin’ny tambajotran-tserasera.
Miverina ny tantara ankehitriny, mbola nanitrikitrika ireo olona mifanandrina ami­ny ao amin’ny minisiteran’ny Fitsarana i Raissa. « Tsy tokony hitazam-potsiny intsony ireo olona ao amin’ny minisitera ireo ny minisitra vaovao. Tena manimba endrika sady miteraka fahafaham-baraka, ho an’ny departemanta tantanany ireo. Mila mampiseho ny minisitra fa tena hanadio izy fa tsy kobaka am-bava fotsiny. Manao antso avo amin’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra izahay hanadio na hanala ireo olona voatonontonona, raha voaporofo ny zavatra rehetra voalazan’ity renim-pianakaviana ity. Tsy mendrika hitazona andraikitra ambony eto amin’ny firenena ny olona tahaka izany », hoy ny loharanom-baovao, nisolo tena ny mpiasan’ny minisitera, izay nangataka ny tsy hotononina anarana, noho ny tahotra tsindry sy ny tsy fahazoany alalana hiteny avy amin’ny lehibeny. Efa an-taona maro aty aoriana, tsy mbola nandrenesam-peo ny eo anivon’ny minisitera sy ny tribonaly izay voampanga am­pahibemaso tahaka ireny. An­dra­sana ny ho tohin’ny raharaha.

Ndriana

Partager sur: