Hala-jaza : saika hamidy 2 800 000 Ar ny ankizy iray

Fahasahiana tsotr’izao! Nidoboka am-ponja eny Antanimora ireo mpivady sy ny rafozam-baviny niaraka tamin’ny dokotera voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fikasana hivarotra an-tsokosoko zazamenavava tamin’ny vazaha. Nokasaina hamidy 2 800 000 Ar ny iray amin’ireo zaza…

Nidoboka am-ponja vonjimaika, eny Antani­mora, ireo olona efatra (mpivady, rafozam-bavy ary dokotera) voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ilay raharaha fikasana hivarotra zazakely menavava tamina vazaha mi­petraka any ampitan-dranomasina. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny polisy, nangalarin’ireo mpangalatra teny 67 ha ireto zazakely ireto. Nokasain’izy ireo hamidy amin’ilay vazaha any an-dafy ka 2 800 000 Ar no saika hangalan’ilay vazaha azy ireo. Efa nahavitan’ireto olon-dratsy ireto taratasy sandoka mihitsy ireo zazakely ireo ka ilay rafozam-baviny no atidoha nikotrika izany. Dokotera iray eny amin’ny manodidina ny 67 ha iny no niray tsikombakomba tamin’izy ireo. Nanaovana taratasy fanamarinam-pahaterahana sandoka amin’ny anaran’izy mivady mba hahafahana manamora ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra amin’ny fivarotana sy fandefasana azy any ivelany.

Tsy lasa tampoka indray anefa…

Tsy vitan’izy ireo anefa ny nandefa ireo zaza nankany ampitan-dranomasia ka voatery notaizainy tao an-trano. Nitohy ihany ny ketrika ka 11 volana aty aoriana, nanaparitaka hafatra “publication” tao anaty tambajotran-tserasera “facebook” ireto tambajotrana mpangala-jaza ireto milaza fa manana zazakely ho an’izay vonona hanangan-jaza. Hami­din’izy ireo 500 000 Ar ireo zazakely ireo, araka ny fampitam-baovao voaray hatrany. Narahan’ny polisy ny fizotr’ity hafatra miparitaka ka noraisim-potsiny izy mivady sy ny rafozam-baviny. Tratra ny alakamisy teo ihany koa ilay dokotera nanao ny taratasy hosoka filazana ny fanamarinam-pahaterahana. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny polisy satria tsy fantatra mazava hatreto ny fomba nakan’ireto mpangalatra ireto zazakely ireto. Tsy mbola nisy fanambarana fahaverezan-jaza nandritra izay fotoana izay. Tezaina eny amin’ny akany misahana ny fikarakarana ireny zaza very sy/na nisy nangalatra ireny ireto menavavakely ireto. Mafy vava tsy mety milaza ny marina rahateo ireo mpangalatra ka anisan’ny mampanano sarotra ity raharaha ity.
Fanafihana, fitsindronana rôrô (héroïne, cocaine), hala-jaza…Izany indray ny malaza tato ho ato izay. Manery mafy tokoa ny fahantrana ka any amin’ny trafikana varo-jaza indray no manao ny ataony ireo jiolahy.

Jean Claude

Partager sur: