Nivadika ho milisy: zazafotsy sivy voatifitra, takalon’aina ny miaramila

Nivadika ho milisy ! Nihantsy mpitandro filaminana ny « Zazafotsy ». Nandratra zandary, nanao takalon’aina miaramila, nandroba basy. Raikitra ny fifandonana, sivy no maty.

Nirefodrefotra ny basy sy ny grenady, omaly, tany Anjiajia, distri­kan’Ambatoboeny. Raikitra ny fifandonana teo amin’ny andrimasom-pokolona “Zaza­fotsy”, izay nivadika ho milisy mitam-piadiana, sy ny mpitandro filaminana. Vokany hatramin’ny ora nanoratana, tafakatra sivy ny sivily mpikomy namoy ny ainy, andaniny. Raha tsy nisy kosa avy amin’ny miaramila sy zandary ankilany. Raha ny angom-baovao avy any an-toerana, efa ela no nitady ny fomba hikomiana sy hihantsiana ny zandary ireo sivily, nomem-pahefana hisehatra amin’ny fitandroana ny filaminana. Afakomaly, tonga tamin’ny tanjona niriany izy ireo, rehefa nikasa hamono zandary tamin’ny sabatra, tao Maneri­nerina, distrika io ihany.

Fisamborana tsotra
Tsy nanaja ny fananganan-tsaina, ny alatsinainy maraina, ny “Zazafotsy” telo lahy. No­samborin’ny polisy kaominaly izy ireo, taorian’ny baikon’ny ben’ny Tanàna. Nitsoaka anefa ny iray, voatazona ny roa lahy. Tezitra ny voasambotra, nisy ny fifandirana. Tsy nanaiky mora izy ireo, na­moaka sabatra lava lela. Nikasa hamono ny polisin’ny kaominina. Voatery niantso zandary ny ben’ny Tanàna handamina ny raharaha. Fo­toana fohy, tonga haka an-keriny ireo namany voasambotra ny zazafotsy roa hafa. Namely sabatra avy hatrany ny zandary iray. Voa tao amin’ny hatony, tsy nahahetsika ity farany. Taori­an’izay, raikitra ny fitifirana, lavo ny telo tamin’ny zazafotsy. Mbola nisy iray tafaporitsaka
Nikasa hamono
Nanao tatitra tany amin’ny namany ilay zazafotsy afa-nitsoaka. Tampoka, nanao rodobe hihazo ny Lapan’ny tanàna ao Manerinerina, voalaza fa nikasa hamono ny ben’ny Tanàna ireo zazafotsy tao Anjiajia. Nandritra izay, efa nentin’ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ilay zandary naratra ny ben’ny Tanàna, ho fiarovana ny ainy. Efa tany amin’ny 10 ora sy sasany alina ny alatsinainy, vao niala teny amin’ny biraon’ny zandary, tapa-kevitra ny tsy hanafika ny toby ireo zazafotsy, araka ny fampitam-baovao voaray tany an-toerana ihany.

Takalonaina
Marihina fa nialoha ny fikasana hanafika ny tobin’ny zandary sy ny biraon’ny kaominina tao Manerinerina, dia nisy ny fanafihana miaramila tao Tsaramandroso, Andrano­man­devy, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Mia­ramila iray hafa, naratra vokatr’izany. Lasan’ireo zazafotsy ny basy AKM na kalchnikov iray. Tratran’ny be noho vitsy ny miaramila ka nilavo lefona. “Nataon’ireo zazafotsy ireo ohatry ny takalon’aina ilay miaramila ZDS”, hoy ny fanavazan’ny kaomandin’ny Vondron-tobim-paritry ny zan­dary any Ambatoboeny. Narefodrefotr’ireo zazafotsy tao amin’ny tanànan’Anjiajia ny basy nangalariny, ny hariva.

Nirefotra ny grenady
Nitokona teo anoloan’ny biraon’ny zandary tao Anjiajia ny zazafotsy, omaly maraina. Raikitra ny fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana. “Nasaina namerina ny basy nalainy ny zazafotsy”, hoy hatrany ny fanazavan’ny kaomandin’ny Vondron-tobim-paritry ny zandary ao Amba­toboeny. Namerina ny basy nangalarina tany amin’ny mi­a­ramila, ny lehiben’ny fokontany teo aloha, tao Antsohe­rinankanga. Efa tonga tany an-toerana ihany ny mpitandro filaminana 170 lahy, hamerina ny filaminana amin’ny laoniny. Marihina fa tafakatra sivy ireo namoy ny ainy, hatramin’ny halina. Tsy fantatra mazava kosa ny isan’ireo maratra.
Nivory ny tomponandraikitra ao an-toerana, manoloana ny zava-nitanga. Tapaka tamin’izany fa hofoanana ny zazafotsy. Ireto farany izay voatonona ho anisan’ireo mpanafika anatin’ny lalam-pirenena fahefatra sy fahenina.

Tsiferana R.

Partager sur: