Lehilahy ny 92,5%-n’ireo mitsabo saina eny Anjanamasina. Antony, tsy mahazaka adim-piainana. Mamono tena fa tsy mahavelon-tena koa ireo nandalo hopitaly, HJRA Ampefiloha.
Mitombo hatrany ireo olona iharan’ny fikorontanan-tsaina noho ny tsy fahazakana adim-piainana. Mihamaro anisa ny lehilahy. Vokany, mivarilavo any amin’ny fidorohana zava-mahadomelina izy ireny. Mivadika ho marary saina avy eo ka alefan’ny fianakaviana mitsabo tena eny Anjanamasina. Tao anatin’ny telo volana, tafakatra 54 ny marary nandalo teny an-toerana, 4 monja ny vehivavy. Zava-doza, mihatanora ireo voatery mitsabo saina. Misy hatramin’ny zaza tsy ampy taona manaraka fitsaboana. “Nanaovana taratasy fahazoan-dalana manokana mihitsy ny tanora iray noho izy vao 17 taona”, hoy ny tomponandraikitry ny sampam-pitsaboana US6 ao Anjanamasina, Dr Andrianarison Nambinintsoa.
Tamin’ireo 54 notsaboina tao anatin’ny telo volana lasa, lehilahy avokoa ny 50. Mitarika izany fiakinandoha amin’ny zava-mahadomelina. Midoroka sy misotro zava-mahadomelina toy ny toaka sy ny rongony ny ankamaroan’ny marary tsaboina ao Anjanamasina. Tafaroboka amin’ny fitsindronana rongony mahery vaika izy ireo noho ny olam-piainana miampy ny fahasahiranana ateraky ny korontana ao an-tokantrano. « Manodidina ny 18 hatramin’ny 26 taona ireo tanora lasibatry ny fikorontanan-tsaina», araka ny fanamafisany.
Mamono tena
Maro ny tahan’ny lehilahy mamono tena eto amintsika, raha ny tatitra navoakan’ireo mpisehitra manampy sy mandray an-tanana ny tanora. Telo ireo olona namono tena nandalo teo anivon’ny hopitaly HJRA, nandritra ny alahady sy ny alatsinain’ny Paska lasa teo, raha ny tatitra navoakan’ny sampandraharaha misahana ny fampitam-baovaon’ny hopitaly. Lehilahy sy vehivavy ary ankizy izy ireo. Tsy mbola vonona kosa ny antontan’isa taorian’izay, raha nanontaniana, omaly.
15 kosa ireo tanora namono tena tao anatin’ny iray volana, raha ny tatitra nataon’ny Observatoire de la jeunesse, ny 13 avrily lasa teo. Valo ny tovolahy ary enina ny tovovavy amin’izy ireo (18, 21 ary 23 taona). Mitovitovy avokoa ny antony mahatonga azy ireo misafidy ny ho faty. Tsy fahazakana adim-piainana sy adin’ny mpivady matetika no mitarika azy ireo hamono tena, raha ny fanazavan’ny mpitsabo teny amin’ny Hjra. « Antony mahatonga ny famonoan-tena ny tsy fahazakana ny olana ankoatra ny ara-pitiavana, eo anivon’ny tokantrano ary ny rarintsaina diso tafahoatra », hoy ny Psychologue général, Razakamanana Andry. Miseho amin’ny endriny maro ny fomba famonoan’izy ireny tena, raha ny fanazavan’ny mpitsabo iray eo anivon’ny hopitaly HJRA.
Miezaka mamelona sy mitsabo ireo mbola anaty fangirifiriana hatrany anefa ny mpitsabo, raha mbola tsy maty ilay olona. “Toroina hevitra sy henoina kosa ny feon’ny tanora mba hisorohana ny famonoan-tena”, hoy ny psychologue.
Fisintahana tokantrano
Lehilahy iray sy vehivavy telo no misintaka ny tokantranony noho ny vono sy gidragidra ao an-trano, raha ny fanadihadiana natao teo anivon’ny fokontany iray, eo anivon’ny boriborintany faharoa, omaly. Antony mahatonga izany, ny tsy fahazakana herisetra (vono, fandrahonana) ataon’ny vadiny. Manampy izany ny hamamoana sy fifandirana eo amin’ny resa-bola eo amin’ny mpivady. “Nitsoaka sy niala ny tokantranonay aho satria mamono ahy foana ny vadiko rehefa mamo”, hoy ny ramatoa iray 30 taona. “Mandrahona ny hamono ahy foana ny vadiko noho ny tsy fahampian’ny vola miditra ao an-tokantranonay”, hoy ny raim-pianakaviana iray 60 taona. Tsy maintsy manao taratasy any amin’ny fokontany ny mpivady rehefa hanao ny fisaraham-panambadiana, raha ny fanazavan’ny eo anivon’ny fokontany.
Tsiferana R. sy Fitia ary Mino (Mpianatra asa)