Mirongatra indray ny halatra taolam-paty! Razana 22 indray lasan’ny mpangalatra taolam-paty nandritra ny vaky fasana tao amin’ny fokontany Camp des mariés Moramanga, afakomaly.
Nahazo loharanom-baovao avy amin’ny lefitry ny lehiben’ny fokontany ny zandary avy ao amin’ny borigady Moramanga momba ny fisiana trangana vaky fasana tao an-toerana. Fasan-drazana telo ana fianakaviana iray ireto novakin’ny jiolahy ireto. Nandray fepetra avy hatrany ny zandary nidina tao an-toerana niaraka tamin’ny lefitry ny lehiben’ny fokontany nanao fizahana ny zava-nisy. Voamarina tokoa ny fisian’ireo fasana telo indray vaky. Nikorontana avokoa ny lamban-drazana sy ireo sisa taolana ambiny navelan’ireo mpangalatra. Araka ny fanazavan’ny tompom-pasana, taolam-paty 22 indray lasan’ireo malaso. Taolana fito tao amin’ny fasan-drazana iray raha fito hafa tao amin’ny fasan-drazana iray faharoa ary valo tao amin’ny fasana fahatelo. Hatreto tsy mbola nahenoana fahitana taolam-paty teny amin’ny manodidina ny toerana nitrangan’ny vaky fasana.
Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny zandary. Tsy nisy olona tratra na ahiahiana amin’ity raharaha ity. Efa misy koa ny sakana nataon’ny zandary amin’ireo toerana mety handalovan’ireo mpangalatra.
Jean Claude