Tsy mbola nifarana manoloana ny resabe. Nitondra fanazavana indray momba ireo nambaran-dRazaivola Raissa farany teo ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy, omaly, tetsy Anosy.
Notsiahiviny tamin’izany, misy efa ela ny departemanta mandray ny fitarainana tahaka ireny eo anivon’ny fitsarana. “Efa misokatra ny fanadihadiana saingy mbola ao anatin’ny tsiambaratelo tanteraka izany. Voafetran’ ny lalàna isika ka tsy mbola azo avoaka ampahibemaso izany”, hoy izy. Nanteriny fa tsy very zo Razaivola Raissa momba ireo nambarany na voampanga aza ka afaka manao ny fitarainana. Tsy manampin-tsofina ny fitsarana fa efa misy fanadihadiana hosokafana ka ho fantatra eo ihany izany, araka ny nambarany. Mandalo dingana anefa izany ka anisan’izany ny fitohizany amin’ny fitsirihana. Tsy midika koa anefa izany fa mitombina ny voalazany na koa holavina. “Mandray fanapahan-kevitra ny fitsarana raha marina ny nambarany ary mandroso indray ny fanadihadiana avy eo. Tonga hatrany amin’ny Filankevitra ambon’ny mpitsara (CSM) ny fiakaran’ny raharaha amin’ny alalan”ny filankevi-pitsipi-pifehezana (Codis)”, hoy ihany izy.
Etsy andaniny, notsindriny fa afaka miara-misalahy amin’izany koa ny eo anivon’ny Bianco sy ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac).
Ankoatra izany, nambarany fa manana zo tanteraka tahaka ny olon-drehetra koa Razaivola Raissa hampiakatra ny raharaha na koa tonga hatrany amin’ny fangatahana fandravana didy raha tsy mahafa-po azy ny didim-pitsarana.
Nanterin’ny minisitry ny Fitsarana fa efa fanao sy ho an’ny rehetra izany. Tsy amin’ity raharaha iray ity ihany izany zo sy dingana samihafa izany, araka ny nambarany hatrany.
Voasazy hiasa an-terivozona fito taona…
Tsiahivina fa natao ny 4 mey teo ny fitsarana an-dRazaivola Raissa ka nahavoasazy azy hiasa an-terivozona fito taona. Anisan’ny vesatra niampangana azy ny fikasana hamono olona. Tsy nipoitra niatrika ny fitsarana ireo vavolombelona telo avy amin’ireo mpitory, efa nanatsoaka ny fitoriany.
Anisan’ny nampitabataba azy teo am-pivoahana ny fitsarana ny fitanisana ny mpitondra sy ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, ny sekretera jeneraly ho nanao kolikoly sy fanodinkodinana ny “Raharaham-bary, 7 5000 t”.
Araka izany, andrasana ny ho tohin’izao fanehoan-kevitry ny minisitra izao. Mba tsy ho very an-javony na ho maty momoka tahaka ireo raharaha hafa tany aloha ity momba an-dRazaivola Raissa ity.
Synèse R.