Antoko Fiombonana : “Mba tsy ho very maina ny ra latsaka”

Anisan’ireo nahatsiaro ny faha-51 taona ny tolon’ny mpianatra, ny mey 1972, ny antoko Fiombonana. Namba­ran’izy ireo fa manaja ny tantara nolalovan’ny firenena, mitaiza sy manabe taranaka izy ireo. Notsiahivin’ny Fiom­bonana, maro ny nifamahofaho teo amin’ny fiainam-pirenena. Vavolombelon’izany ireo raiamandreny, nitolona tamin’izany.
“Tsy ho very maina ny herimpo sy ny ra latsaka. Eo ny taranaka vonona sy sahy handray ny faneva. Mijoro hatrany ny tia tanindrazana mba hananana firenena mandroso sy taranaka vanona ary maro ireo martiora nahafoy ny ainy ho an’ny firenena mba hiainan’ny taranaka anaty fivoarana”, hoy izy ireo. Notanisainy anefa fa miaina ny fahantrana, ny tsy fandriampahalemana, ny mosary, ny kolikoly, ny fankahalana ny vahoaka. Eo koa ny tsindrihazolena. “Natao fitaovana politika ve izany ny tolona nifandimby mba handrobana ny fahefana sy hakana an-keriny ny harem-pirenena ? Manana adidy amin’ny fametrahana firenena mandroso sy vahoaka miadana izahay”, hoy izy ireo.
Miandrandra fitoniana sy firaisan-tsaina ary fivoarana azo tsapain-tanana ny vahoaka. Vonona hametraka ireo notakiana hatramin’izay mba ho firenena mandroso sy vahoaka liam-pivoarana no hiatrehana ny ho avy. Mihaino sy mampandroso vahoaka ny Fiombonana ary sahy miatrika ny fiainam-pirenena, araka ny fanambarana.

Synèse R.

Partager sur: