Governora faritra Vakinankaratra : “Tahotra fifidianana ny fanaovana Tetezamita”

“Tahotra hiatrika fifidianana ny an’ny sasany. Mam­boly korontana etsy sy eroa, mampisavorovoro saim-ba­hoaka, mieritreritra hanao fitondrana Tetezamita hifampizarana seza… Avy eo, hanitatra izany Tetezamita izany ho teteza… miitatra.” Io ny fanahoan-kevitry ny governoran’ny faritra Vakinankaratra, Rakotovao Vyvato. ”Mampa­lahelo koa indraindray ny fihetsiky ny fiombonambe iraisam-pirenena sasantsasany: manome lesona, manery, manao terivaimanta”, hoy hatrany izy.
Nitondrany fanamarihana fa tsy nanao terivaimanta na iza na iza ny firenena malagasy, tsy nanao tsikera an’ireo firenena nanao fifidianana nitarika olana tany aminy fa samy manaja ny fiandrianam-pireneny. Mahaleo tena i Madagasikara. Nohamafisiny, mijoro ara-dalàna ny Repobli­kan’i Madagasikara ka misy olompirenena sy fanjakana. “Anaovana antso avo ny re­hetra mba ho tony sy tsy horebireben’ny sasany, hiatrika amim-pilaminana izany fifidianana izany”, hoy izy.
Voafehin’ny lalàmpanorenana ny Repoblikan’i Mada­ga­sikara, izay manana olom-boafidy ara-dalàna sy ara-drariny ary eken’ny besinimaro. Efa am-perinasa avokoa ny rafi-panjakana misy ao aminy. Anisan’izany ny Ceni. “Mao­dely i Madagasikara, tsy eto Afrika irery fa maneran-tany”, hoy ihany izy. ”Hita indraindray amin’ireny firenena mi­laza ho lehibe ireny fa misy olana ny voka-pifidianana, ifandroritana ny fahefana… ”, hoy izy namarana ny resaka.

R. Nd.

Partager sur: