Voasambotry ny polisy ny mpifankatia namono lehilahy, iray teny Andavamamba. Nomen’izy ireo fampatoriana, nolerana antsy, nodorana ilay lasibatra. Niaiky ny heloka vitany izy roa.
Tapa-bolana aty aoriana, tra-tehaky ny polisy ny atidoha sy tompon’antoka tamin’ny famonoana ny raim-pianakaviana iray tetsy Andavamamba. “Razana nodorana tanaty dabam-pako no nanaitra ny mponina manodidina ka nampandre anay ny 29 avrily lasa teo”, hoy ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena. Tovovavy 22 taona sy tovolahy 17 taona, mpisakaiza no nahavanon-doza. Voasambotra tany Ambatondrazaka izy ireo ny alakamisy faha-11 mey. Nentina niakatra aty an-drenivohitra, atao fanadihadiana etsy amin’ny sampana ady heloka bevava, miandry ny hitondrana ny raharaha any amin’ny fampanoavana.
“Nanana fifandraisana akaiky ny lasibatra sy ilay tovovavy. Nifandray nandritra ny roa taona ka nanofan-drangahy trano. Taty aoriana anefa, tsy voaloa intsony ny hofan-trano ka niteraka disadisa teo amin’ny roa tonta.”, hoy hatrany ny teo anivon’ny polisim-pirenena.
“Tsy faly nanoloana io tranga io ilay tovovavy ka nisakaiza tamin’ny tovolahy vao 17 taona. Vokatry ny tsy fifankahazoana. Nanapa-kevitra ny namono ilay raim-pianakaviana izy roa.”, araka ny fampitam-baovao.
Nomena fampatoriana
Nampihoron-koditra ny zava-bitan’izy roa! “Mody nisotrosotro niaraka io vehivavy io sy ilay raim-pianakaviana. Nampiana fanafody mampatory anefa ny zava-pisotrony”, hoy ny fanazavan’ny polisy. Voalaza fa notsatohana antsy ny tenda sy ny tratran’ilay raim-pianakaviana, tao anaty torimaso lalina. Namoy ny ainy ity farany. Nentin’ilay vehivavy sy ny sakaizany vao 17 taona teny amin’ny fanariam-pako manakaiky ny lakandrano Andriantany ny vatana mangatsiaka. Nodoran’izy ireo tamin’ny lasantsy avy eo.
Niroso tamin’ny fanadihadiana lalina ny raharaha ny mpitandro filaminana. Nitsoaka nihazo an’Ambatondrazaka ireto mpisakaiza nahavanon-doza, araka ny angom-baovaon’ny mpanao famotorana. Nisy ny fitsongoana dia, voasambotra izy ireo. “Niaiky ny heloka vitany izy roa ireto”, hoy ny polisim-pirenena. Andrasana ny fiakaran’ny raharaha eny amin’ny fampanoavana sy ny mpitsara mpanao famotorana.
Tsiferana R.