Fanararaotana mpivavaka: Pasitera efatra voasambotra

Nanao be midina tamina trano fivavahana iray ny polisim-pirenena, omaly. Pasitera sady mpaminany efatra voasambotra.

Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny olona efatra misora-tena ho Pasitera tao amina fiangonana tsy miankina iray, ao Fianarantsoa Renivohitra, omaly. Nisintona lakolosy teny anivon’ny fampanoavana ny vehivavy telo mpino eo amin’ilay fiangonana. Tao­rian’ny fitorohana nalefan’izy ireo, nandefa baiko teny anivon’ny polisim-pirenena ny tonian’ny mpampanoa lalana amin’ny maha lehiben’ny mpanao famotorana azy. Van­tany vao naharay izany ny eo anivon’ny kaomisaria, nanao be midina, omaly maraina. Vokany, nisy ny fisamborana faobe. Taorian’ny fanadihadiana savaranonando, efa no­tazomina eo anivon’ny polisy. Voalaza ho manao fanararaotana ara-nofo amin’ireo vehivavy mpiangona ao amin’io fiangonana io izy efa-dahy ireto. « Misora-tena ho pasitera avokoa izy ireo », hoy ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny kaomisaria Centrale, ao an-toerana. Rehefa resy lahatra hanaraka ny firehan’ny fiangonana ireo vehivavy mpino, anavaon’ireto Pasitera sandoka ireto ny fomba ratsiny. “Anatin’ny fanadihadiana lalina mahakasika ity raharaha ity izahay amin’izao fotoana”, araka ny fanamafisan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny kaomisaria Centrale.
Hisorohana ny fahavoazan’ireo tsy ampy taona

Araka ny loharanom-baovao eo anivon’ny fitsarana ao Fianarantsoa, mba hisorohana ny fihitaran’io fomba ratsy io tsy hahazo ireo zazavavy tsy ampy taona mpino anatin’ilay fiangonana tsy miankina ity fisamborana ireto Pasitera sandoka efatra. Araka ny fampitam-baovao avy ao Fiana­rantsoa ihany, tratry ny tsindrihazolena ny ankamaroan’ireo vehivavy mpino izay efa samy manam-bady aman-janaka mivavaka ao amin’io fiangonana io. Tao­rian’ny fi­samborana nataon’ny polisy, tonga hamantatra ny tena zava-misy marina eo anivon’io fiangonana io koa ireo raim-pianakaviana vadin’ireo vehivavy mpiangona. “Voaza­naka ara-tsaina ny vady aman-janaka ka tsy azo atao na inona na inona”, hoy ny fanavazan’ny iray tamin’ireo raim-pianakaviana. Mi­andry ny voka-panadihadiana izy ireo ka handray fanampahan-kevitra manoloana ny fisian’io fiangonana io aorian’izany. Mari­hina, nisy ny fikarohana ny tomponandraikitra eo anivon’ny fiangonana saingy tsy nahazoam-baovao. Nisafi­dy hangina noho ny fisian’ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana kosa ireo tratra antso. Andra­sana ny tohin’ny raha­raha.

Tsiferana R.

Partager sur: