Fifidianana filoham-pirenena : hentitra ny masontsivan’ny eveka amin’ireo ho kandidà

Namoaka hafatra ny eo anivon’ny Fivondronamben’ ny eveka (Fem), omaly. Voa­resaka ny hiatrehana ny fifidianana sy ny fahasahiranam-bahoaka. Eo koa ny ezaky ny fitondrana ary ny tsindrom-paingotra amin’ny fampanantenana tsy tanteraka.
Nampahatsiahy ny toetra tokony hananan’ny kandidà hofidiana ny eo anivon’ny Fem amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao. Hentitra ny masontsivana napetrak’izy ireo. “Olo-marina sy hendry ary tia tanindrazana no ilain’ny firenena. Mpanara-dalàna sy sarotiny amin’ny lalàna. Tsy mizaha tavan’olona. Tsy maintsy ho manana ny maha izy azy koa, fa tsy voafatotry ny politikan’ny antokony na ny tombontsoan’ny fianakaviany na ny faritra niaviany”, hoy ny hafatra. Nanterin’ny eveka koa fa olona mahay mihaino ka vonona sy manana vinavina mazava hanarina izao fahantrana lalina mahazo ny vahoaka izao. Tsy hanilika andraikitra amin’ireo mpitondra teo alohany. Misokatra amin’ny hafa koa, araka ny hafatry ny Fem.

Kolikoly, vono olona, fanondranana antsokosoko

Nialoha izany, notanisain’ny hafatra ny ezaky ny fitondrana. Ny fotodrafitrasa, toy ny sekoly, hopitaly, fandrakofana tara ny lalam-pirenena sasany, lalankely, ny fandraisana ireo mpampianatra Fram ho mpiasam-panjakana, ny asa avotra mirindra sy ny asa tanamaro… Na izany aza, nohitsin’ny hafatra fa miharihary ny fahantrana lalina, mampikaikaika ny maro. “Isehoan’ny fahantrana ny toekarena, ny fiarahamonina na ny fitondran-tena ary ny toe-tsaina, ny tontolo iainana… “, hoy ny Fem. Miova hatramin’ny fihainoana ny feon’ny fieritreretana, mirona amin’ny famonoana sy ny herisetra, ny fitsaram-bahoaka, ny kolikoly, ny fanariana ny zaza nateraka, ny halatra mason’ny varira sy taolam-paty, ny doro tanety sy ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena, ny fidorohana zava-mahadomelina. Niva­dika ho kolontsaim-pahafatesana ilay fandalan’ny Malaga­sy ny aina. “Lasa kolontsaina tsikelikely ny kolikoly sy ny tsy firaharahana ny lalàna ary tonga hatramin’ny tsy firaharahana ny hafa, ny tsy fifampihainoan’ny mpitondra sy ny vahoaka, na ny vahoaka samy vahoaka. Mampalahelo fa manao an’ireo ny kristianina”, hoy ny hafatra. Ny mpitondra sy tomponandraikitra natao hanome ohatra no miova toe-tsaina voalohany; hany ka manaraka ho azy ny vahoaka, araka ny fanambarana.

Sondrobidim-piainana

Etsy andaniny, manampy trotraka izany ireo fampanantenana maro tsy tanteraka, ka mampiraviravy tanana ny va­hoaka na mampanaotao foana azy. Miaka-bidy tsy miato sady haingana ny filan’ny vahoaka andavanandro; mitaraina ny mpamboly sy ny mpiompy fa tsy misy mpiraharaha ny olany; mihalafo hatrany ny fampianaran-janaka ary mihagoragora ny fanabeazana; mitombo hatrany ireo very asa sy ny tsy an’asa; mihapotika ny lalana manerana ny Nosy. Tsy ahitam-bahaolana maharitra ny fahasahiranan’ny vahoaka amin’ny jiro sy ny rano ary ny maro hafa.

Synèse R.

Partager sur: