Nisokatra, tamin’ny fomba ofisialy, omaly, etsy amin’ ny Novotel Alarobia, ny fikaonan-doha momba ny fanovana sy ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra eto Afrika «Assises de la Transformation digitale en Afrique» (ATDA), andiany faha-12. Maharitra roa andro ny hetsika, hanomezana sehatra ireo mpikaroka iraisam-pirenena eo amin’ny sehatry ny haitao ara-kajy mirindra isan-tsokajiny. Nitondra ny lohahevitra “ny foto-karena maha olona, manosika ny tontolo nomerika afrikana mahomby” (Le capital humain comme catalyseur d’un écosystème numérique africain performant) ity hetsika ity. Araka izany, misy ny fampirantiana natokana ho an’ny tontolon’ny nomerika sy ny fanentanana maro samihafa entina hampahafatarana izany.
Tsy afa-miala amin’ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra i Madagasikara, entina hampandrosoana ny toekarena sy ny fifandraisana eo amin’ireo firenena hafa. Ankehitriny, efa tafiditra eo amin’ny fiainana andavanandro sy ireo sehatra marolafy izany. Toy ny seha-pampianarana entina handoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra eny amin’ny oniversite. Torak’izany ny fandoavana ny karaman’ireo mpiasam-panjakana. Tsy latsa-danja amin’izany ny seha-pihariana, ny fambolena sy ny fiompiana, ary ny seha-pahasalamana. Voalaza ihany koa ny fandraharahana. Betsaka rahateo ny tanora malagasy efa miditra amin’ity sehatra ity. Liana amin’ny tontolon’ny nomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra.
Hatsaraina hatrany
Tafiditra sahady ao anatin’ ny hetsika nataon’ny fitondram-panjakana ny fizarana ireo karinem-pokontany misy QR code hoan’ny tokantrano maherin’ny 500.000 eto andrenivohitra. Nahafahana nandrindra ny fandoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra ihany koa ny haitao noho izy nampihena ny fandaniana. Ankoatra izay, «toerana miisa 103 no efa misitraka wifi maimaimpoana manerana ny Nosy ary miisa 410 hafa no mbola hapetraka hatramin’ny faran’ny taona», hoy ny fanazavan’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, nandritra ny lahateny nataony, omaly. Notohizany fa mandray anjara amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny fitantanana ao anatin’ny mangarahara ary mandray anjara amin’ny fanatsarana ny fahombiazana ny tolotra omena ny vahoaka eny amin’ ny biraom-panjakana ny haitao ara-kajy mirindra.
Henintsoa Hani