Namoaka fanambarana tamin’ny alalan’ny “Com Pdt Assemblée Nationale” ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine fa nisy niditra an-tsokosoko tao amin’ny trano fonenany, eny Andohan’i Mandroseza. Niseho ny alin’ny sabotsy 20 mey teo izany ka nahaverezana telefaonina fampiasan’ity lehibena Andrimpanjakana ity. Voarakitra ao anatin’izany avokoa ny fifandraisana rehetra. Lasan’ireo olon-dratsy koa ny “Ordinateur de bureau, écran plat” miaraka amin’ny “Unité Centrale”. Manampy izany ny poketra miloko “Marron”, misy vola. “Fantatr’ireo mpanao ratsy ny zavatra notadiaviny satria any anatin’ireo finday ireo avokoa ny mombamomba azy mivady manokana ary tsy nisy zavatra hafa very tao an-trano ankoatra ireo”, hoy ny fampahafantarana. Tsy nahitana fahasimbana ny fidirana rehetra tao an-trano, araka ny voalaza hatrany. Melohina tanteraka ny fihetsika toy izao satria ahina hisy hevi-dratsy ambadika kasaina hatao, araka ny fanambaran’ny “Com Pdt Assemblée Nationale” hatrany.
Toe-draharaham-pirenena mafampana…
Tsy fantatra na misy ifandraisany amin’ny fiainam-pirenena, indrindra ny resaka politika, efa manomboka mafampana amin’izao fotoana izao izany na asan-jiolahy sy fandrobana tsotra izao. Betsaka ny fanontaniana sy baraingo manoloana izany ka andrasana ny mety ho tohin’ity raharaha ity.
Tsiahivina fa vao ny faran’ny herinandro teo no tany Ambatofinandrahana ny filohan’ny Antenimierampirenena, niaraka amin’ny masoivoho britanika. Nijery ifotony ny fambolen-kazo sy ny fiarovana ny tontolo iainana any an-toerana izy ireo.
Synèse R.