Sehatry ny jono : nojerena ny orinasa Polyma

Anisan’ny fitaovana ma­nan-danja amin’ny fanjonoana ny fananana sambo enti­na mampiroborobo ity seha-piha­riana ity. Araka izany, ni­tsidika ny orinasa malagasy mpanamboatra sambo, Polyma eny Ilafy, ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, ny alakamisy teo. Hita tao avokoa ireo karazana sambo rehetra, toy ny sambo madinika, ny haingam-pandeha ary ireo sambo salantsalany. Fantatra fa anisan’ireo mampanamboatra sambo ao amin’ity orinasa ity ny tetikasa SWIOFish2, hanamafisana ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna. “Anisan’ ny nojerena tamin’izay koa ny sambo lehibe iray mbola eo an-dalam-panamboarana hiasa sy haka ireo hazandranomasina miainga avy any Maintirano ka hatrany amin’ ny faritra Sofia. Fa indrindra any amin’ireo faritra izay tena saro-dalana rehetra. Ity sambo ity izay eo ambany fitantanan’ny Centre de dis­tribution des produits ha­lieutiques any Mahajanga (CDPHM)”, hoy ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Atao izao hoentina hanampiana ireo mponina any an-toerana sy hampiroboroboana ny toekaren’izy ireo ary ny seha-pihariana jono. Tom­bony lehibe ho an’ny Mala­gasy ny maha Nosy an’i Madagasikara. Manankarena hazandranomasina isika ary seha-pihariana malalaka tsara ny fanjonoana eto an-toerana.

Henintsoa H.

Partager sur: