Ravan’ny mpitandro filaminana ny tambajotran-jiolahy mpangalatra moto tetsy Talatamaty, afakomaly.
Efa fikambanan-jiolahy mihitsy ireto saron’ny zandary miasa eny anivon’ny borigadin’i Talatamaty ireto. Jiolahy 9 noraisim-potsiny niaraka tamin’ny moto efatra nangalarin’izy ireo, taorian’ny fanadihadiana lalina. Tompona moto iray nametraka fitoriana teny anivon’ny zandary ao Talatamaty fa very moto. Nividy zavatra teo amina tsenakely iray io lehilahy io niaraka tamin’ny moto. Poa toy izay, nisy olon-tsy fantatra nitondra ny moto. Niezaka nanenjika izy saingy lasa nandositra io mpangalatra io. Niroso tamin’ny fikarohana io entana halatra io ny mpitandro filaminana. Vokany, olona 9 tra-tehaka niaraka tamin’ny moto halatra efatra.
Mpiray tsikombakomba
Aorian’ny fangalarana ireo moto, efa misy mpiara-miasa mivantana ireo jiolahy amin’ny fanaovana ny taratasin’ny moto. Rehefa voasolo, raisin’ny naman’izy ireo izay mpividy ny halatra ireo entana ireo. Ireto farany, araka izany, no miroso amin’ny fandafosana azy ho any amin’ny olon-tsotra amin’ny fomba rehetra. Tamin’ireo jiolahy 9 voasambotra ireo, vehivavy ny iray. Anisan’ireo voatana koa ny tena mpangalatra ny moto, ny mpanao ny taratasy hosoka miampy ireo mpividy halatra. Raha tsiahivina, moto scooter lehibe iray nalain’ny jiolahy nitam-piadiana teny amin’ny tompony, tetsy Ambohitrimanjaka, ny herinandro lasa teo. Mitohy hatrany ny asa famongorana ireo mpangalatra moto eto an-dRenivohitra sy ny manodidina ataon’ny mpitandro filaminana.
Tsiferana R.