Antohomadinika : jiolahy nitondra antsy lava lavon’ny polisy

Nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana, maty voatifitra ny jiolahy raindahiny iray tetsy Antohomadinika, omaly.
Nitondra antsy lava, miandry ireo mpandalo maraina ity jiolahy lavon’ny mpitandro fi­la­­minana tetsy Ankazoman­ga, omaly vao mangiran-dratsy ity. Miandry ireo mpiantsena ma­raina sy ireo mpiasa miainga mbola maizimaizina, nifanehatra tampoka tamin’ny polisy ity jiolahy ity. Efa mpamerin-keloka, naneho fihetsika hafahafa avy hatrany izy rehefa nanatonan’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana maraina. Nika­sa hanohitra sy hamaly ny polisy tamin’ny fampiasana ny antsy lava teny an-tanany. Vo­ka­ny, nirefotra ny basy. Maty voatifitra ity jiolahy raindahiny ity. Marihi­na, efa ikoizana amin’ny asa fanendahana eny amin’iny faritra manodidina iny ity mpanendaka maty voatifitra ity.

Mpanendaka telo lahy voasambotra
Ankoatr’io, tra-tehaky ny zandary ny jiolahy telo lahy mpanendaka tetsy Ankadi­kely, ny 20 mey teo. Manara­ka olona misotro toaka any anaty trano fisotroana, andrasan’izy telo ireto ho mamo tsara ireo horobaina. Rehefa mihazo ny fodiana, arahin’izy ireo ary alainy ny vola sy ny finday miampy ireo zavatra heverin’izy ireo ho sarobidy. Nikendry ny raim-pianakaviana iray ireto mpanendaka ireto tamin’io 20 mey io. Mbola tsy mamo tsara anefa ilay lehilahy kanefa nendahin’izy ireo. Nahatadidy ireo olona naka ny findainy sy ny volany ity voaendaka. Nitory teny anivon’ny mpitandro filaminana, nanao fanadihadiana ireto farany. Vokany, voasambotra ny telo lahy voatondro. Niaiky ny heloka vitany avokoa izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: