Habibiana… : naolan-drainy ny zanany vavy

Naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy natolotra ny fampanoavana ilay raim-pianakaviana nahavanon-doza nanao fihetsika feno habibiana tamin-janany, tao Vakinan­karatra. Ny alakamisy teo, tonga nametraka fitarainana tao amin’ny polisy misahana ny ankizy sy ny vehivavy ao amin’ny talem-paritry ny Fi­laminana anatiny ao Vakinan­karatra ny ramatoa iray fa hoe nisy nanolana ny zanany 12 taona. Tsy iza no nanolana ity zanany ity fa ny rainy niteraka azy ihany. Nandeha tany an-tranony avy hatrany ny polisy ka noraisim-potsiny ilay nahavanon-doza. Niaiky tokoa izy fa tompon’antoka tamin’izao raharaha izao nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Nilaza izy fa efa matetika manao herisetra amin-janany vavy toy izao saingy izao izy vao tratra.

J.C

Partager sur: