Fivorian’ny Bad any Egypta : handray ny amboara “Trophée Babacar” ny filoha Rajoelina

Hotanterahina ny zoma izao any Sharm el Sheikh, Egypta, ny fivorian’ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad). Anisan’ny hiatrika izany any an-toerana ny filoha Rajoelina Andry. Mandritra izany fihaonana izany no hanolorana azy ny amboaran’ny mpanorina lehibe aty Afrika «Lauréat du super prix grand bâtisseur», amin’ny alalan’ny «Trophée Babacar Ndiaye 2023». Fi­haonana fanao isan-taona izao ary efa nahazoan’ireo filoham-panjakana afrikanina 7 hafa izany amboara izany teo aloha. Anisan’izany ny filohan’i Rwanda, Paul Kagame.
Tsiahivina fa niainga ta­min’ny tatitra nataon’ny “Ré­seau Médias pour les infrastructures et la Finance en Afrique – Mifa” no nanaovan’ny komity mpifantina ao anatin’ny «The Africa Road Builder» izao safidy ka hanolorana ny amboara ny filoha Rajoelina izao.
Fotodrafitrasa, ny lalana…
Manampy izany koa ny tatitra azon’izy ireo avy amin’ny Andrimpanjakana sy ireo fikambanana iraisam-pirenena isan-tsokajiny momba ny fanamboarana fotodrafitrasa, toy ny lalana, ny sekoly, CSB ary koa ny momba ny fitaterana aty Afrika.
Efa any Sharm el Sheikh, Egypta mandray anjara amin’izao fihaonamben’ny Bad, nanomboka omaly izao, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarini­rinarisoa Rindra Hasimbelo. Lohahevitry ny fivoriana ny fanetsehana ny famatsiam-bola ho an’ny fampandrosoana manaja ny tontolo iainana eto amin’ny kaontinantaben’i Afrika.

Synèse R.

Partager sur: