Miova sata, miova andriana. Hanana ny fomba fiasany manomboka izao ny eo anivon’ny fitsarana, etsy Anosy. Napetraka ny laharam-pahamehana.
“Haverina ny fiandrasan-draharaha isaky ny sabotsy eo anivon’ny fampanoavana. Mba hialana amin’ny fanalavana lavareny ny fihazonana olona atao fanadihadiana savaranonando eny anivon’ny polisy na ny zandary, ka mahafeno ireo toerana fitanana olona eny amin’izy ireo.” Io nambaran’ny tonia mpampanoa lalàna eny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Antananarivo, Rakotoniaina Narindra Navalona, tamin’ny lanonam-pitsarana nandraisany ny asany, teny Anosy, omaly.
Atao laharam-pahamehana ny fanenjehana sy fanasaziana ireo fahavalom-piarahamonina fanetriben’ny firenena: mpanao fakana an-keriny, mpanao heritsera mifototra amin’ny maha lahy na ny maha vavy, ireo mpanondrana olona… Eo indrindra koa ireo mpanaparitaka zava-mahadomelina mahery vaika rôrô, tena manimba tanora maro amin’izao.
Tsy avela ho afa-maina ny mpanao ratsy
“Ho fanohizana ny asa efa nisy teo aloha, vonona ny tenako hitondra ny traikefa ananako. Hiezaka hanao izay tratran’ny heriko rehetra aho mba hametraka ny paikady rehetra hanohizana sy hanatsarana ny fomba fiasa eo anivon’ny fampanoavana”, hoy izy. Santionany ireo voalaza etsy aloha ireo, fa mbola maro ireo fandikan-dalàna mandalo eny anivon’ny fitsarana. Tsy avela ho afa-maina avokoa ireny rehetra ireny fa tsy maintsy henjehina sy faizina, araka ny lalàna velona misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana.
Noho izany, hohafainganina, araka izay azo atao, ny fikirakirana ny antontan-taratasy sy ny fitoriana voaray eo ao anivon’ny fampanoavana. Atao izany mba tsy hahataraiky ny fanaovana famotorana sy ny fakana am-bavany ireo olona entina eo anatrehan’ny fampanoavana.
Tsy natao hanenjika olon-tokana ny tonia mpampanoa lalàna
“Tsy natao hanenjika olon-tokana ny tonia mpampanoa lalàna. Hevi-diso izay”, hoy kosa ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, raha nanontanian’ny mpanao gazety. Mampihatra lalàna amin’ny lafiny rehetra amin’ ny rariny sy ny hitsiny ny tonia mpampanoa lalàna, tsy mitanila, miezaka miady amin’ny kolikoly. Tsy miala amin’ ny politikam-panjakana izay napetraky ny minisiteran’ny Fitsarana rahateo izy.
Raha misy ny didim-pitsarana hosoka, anaovana fitoriana sy fanadihadiana. Mila hamafisina ny ady amin’ny mpijirika. Rehefa misy zavatra tiana hangatahina, aoka hanatona ny tena tomponandraikitra eny anivon’ny fitsarana izay manana olana na manana fanahiana ny amin’ izany.
R. Nd.