Collectif Task force : “Tsy azo ekena ny fambolena korontana”

Hentitra ary nahitsy ny fanambarana. “Melohinay tanteraka , amin’ny endriny rehetra, ny paikady hambolena korontana mba tsy hirosoana amin’ny fifidianana malalaka sy iraisan’ny rehetra”, hoy ny eo anivon’ny Collectif Task Force, ahitana ireo fikambanana samihafa sy olon-tsotra any Eoropa, omaly. Nanterin’izy ireo ny fanohanana tanteraka ny filoha Rajoelina Andry sy ny governemanta, tarihiny. Hita taratra sy efa azo tsapain- tanana ny ezaka fanovana ho fanatanterahana ny velirano nifanaovana, araka ny fanambarana hatrany. Nohitsin’ireto fikambanana maromaro ireto koa fa efa mipetraka ny rafitra sy ny lamina momba ny ahatongavana amin’ny fifidianana malalaka hahazoan’ny vahoaka maneho ny safidiny. “Efa mikarakara izany ny eo anivon’ny rafitra mahaleotena ary araka ny efa voasoratra ao anaty Lalàmpanorenana ka tsy azo ekena ny fikasana hametraka tetezamita na fikaonandoham-pirenena, kotrehin’ny mpanao politika sy ireo olom- bitsy mpanohitra sasantsasany”, hoy ihany izy ireo.

Tsy misy krizy eto amin’ny firenena…

Nohamafisin’ny “Collectif Task Force” koa fa tsy misy krizy politika eto amin’ny firenena. Olana eo amin’ny toekarena sy sosialy no misy noho ny toe- javatra nifandimby. Anisan’izany ny Covid-19 sy ny rivodoza ary ny ady any UKraine.
Aleo hirosoana ny fifidianana malalaka hatrehin’ny mpanara-maso iraisam-pirenena sy ny hery velona rehetra mba hisorohana ny ahiahy sy ny hosoka, araka ny fanambarana hatrany. “Mila fitoniana, firaisankina sy herim-po i Madagasikara mba hahafahany mandroso sy miatrika ny adidiny”, hoy ihany izy ireo. Anisan’izany ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy amin’ity taona ity.

Synèse R.

Partager sur: