Kaominina Toamasina : nohadihadian’ny Bianco

Nanokafan’ny eo anivon’ny Bianco fanadihadiana ireo sampan-draharaha maromaro eo anivon’ny kaominina Toa­masina. Voalaza fa anton’izany ny fanahiana kolikoly niainga amin’ny fitarainan’ireo manao raharaha ao amin’ny fiadidiana ny Tanàna. Eo koa ny ahiahy amin’ny mety ho fanodinkodinam-bolam-panjakana ary fanaovana hosoka eo anivon’ ity kaominina ity. Sesilany ny taratasy fiantsoan’ny Bianco ireo tomponandraikitra amin’ny sampan-draharaha, taorian’ny fandoavam-bola na fizarana “Bon de caisse” tany anaty trano fisotroana sy momba an’ ilay antsoina hoe”Ticket be loha” niparitaka teo anivon’ny tambajotran-tserasera. Manampy izany ny fahadisoana tsipelina anatin’ny sora-piankohonana ary matetika mitranga ka hakan’ireo misahana izany vola hatrany amin’ny 30.000 Ar. Mazava ny nambaran’ny eo anivon’ny tonian’ny fampanoavana ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany vaovao, i Vahiny Yvi Sandro, ny 28 avrily teo. “Tsy handefitra amina endrika kolikoly sy hosoka ary fanodinkodinam-bolam-panjakana ny fitsarana”, hoy izy. Nampitandrina ny rehetra ny tenany amin’izany ary niangavy mba samy
handray ny andraikiny. Tokony ho sahy hitoroka koa ireo iharan’ izany fomba ma­moehatra izany, araka ny nambarany.

Sajo sy Synèse R.

Partager sur: