Herinaratra : miverina ny fahatapahan-jiro lavareny

Mahery vaika indray ny fahatapahan-jiro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Maro ireo zavatra simba, mimenomenona ny ankamaroan’ny mponina.

Vao iray volana izay, nisedra delestazy na­vaivay ny faritra maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Ankehitriny, miverina sahady ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny. Velon-taraina tanteraka ny mponina amin’ny afitsoky delestazy. Potika ny fihariana madinika, simba ma­naraka izay koa ny fandaharanasa rehetra.
Nanomboka ny sabotsy sy alahady teo, hatramin’ny omaly, mbola manjaka ny fahatapahan-jiro amin’ny faritra maro eto an-drenivohitra. Omaly, nihena ho adiny roa ny fahatapahan-jiro amin’ireo fokontany na­hazo filazana. Raha nahatratra ora telo kosa izany tamina faritra sasany ny sabotsy maraina. Tsy vitan’izay anefa fa mbola nitohy ny hariva koa ity fahatapahan’ny herinaratra ity tamin’ireo fokontany niharan’izany ny marain’io. Etsy ankilany, namoaka ny lisitr’ireo toerana iharan’ity fahatapahan’ny herinaratra ity ny Jirama hatramin’ny faran’ny herinandro teo. Betsaka tamin’ireo toerana tsy voalaza anefa no mbola tratran’izany. Vokany, mitabataba ny mponina, simba ny fandaharam-potoana natao, potika ny fihariana samihafa. “Tsy afaka niasa mihitsy aho nandritra ny fotoana nahatapaka ny herinaratra. Betsaka ireo olona nanana fotoana resaka asa tamiko no niveri-maina foana. Very vola aho amin’ny ataon’ny Jirama”, hoy ny fitarainana nataona mpanao volo iray. “Izahay tsy nahafantatra ity fahatapahan-jiro lava ataon’ny Jirama ity. Tsy afaka haminavina mihitsy izahay hoe ho tapaka ny jiro taorian’ireny delestazy be tamin’ny iray volana lasa ireny… Ny faktiora aloa midangana nefa ny tolotra omena tsy mahafa-po”, hoy kosa ny fanazavan’ny mpivarotra iray.
Manjaka ny tsy fandriampahalemana

Ankoatra izay, nitrangana asan-jiolahy teny amin’ny fokontany Ampamantanana Androndra ny, sabotsy tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva teo. Nanararaotra ny haizina ka nanafika tsena roa teny an-toerana ireo olon-dratsy tamin’ny fotoanan’ny delestazy. Tompon-tsena iray naratra voatsindrona antsy tamin’io fotoana io. Tsena iray hafa kosa voaroban’ireto mpanafika ni­tondra zava-maranitra.
Mbola hitohy ao anatin’ny andro vitsy ity fahatapahan’ny herinaratra ity. Nilaza ny orinasa Jirama fa misy ny asa vonjimaika tsy maintsy atao amin’ireo milina mpihary herinaratra avy amin’ny solika. Antony mahatonga izao fahatapahan-jiro any amin’ireo toerana maro samihafa izao. Hatramin’ny faran’ny herinandro teo, namoaka ny lisitr’ireo toerana iharan’ny fahatapahan-jiro isan’andro ny orinasa Jirama ao amin’ny pejiny anaty tambajotran-tserasera.

Henintsoa Hani

Partager sur: