Andro miditra… : lanin’ny voay ny zanany, narapany koa ny reniny

Renim-pianakaviana 49 taona narapaky ny voaibe tao Ampandra, kaominina ambanivohitr’i Andréa, distrikan’i Maintirano, afakomaly tolakandro. Niara-nanjono teo amin’ny reniranobe ao amin’ io fokontany io izy niaraka tamin’ny zafikeliny. Niantsa­pazan’ny voaibe ny tongotr’ilay renim-pianakaviana havia ka nentiny tany anaty rano. Nanavotra azy ilay zafikeliny ka nikapoka ity voay tamin’ny hazo ka votsotra ihany ity renibeny. Tapaka mihitsy ny tongony ka nentina haingana nihazo ny hopitaliben’i Maintirano. Voalazan’ny mponina ao an-tanàna fa efa nohanin’ny voay teo amin’ity toerana ity koa ny zanany lahy roa taona lasa izay ka izao indray izy no saika nanaraka azy.

Jean Claude

Partager sur: