Efa zatra nahazo! Noraisim-potsiny ny lehilahy iray mpangalatra fitaovana fanamboarana trano, tetsy Ikanja Ambohimangakely, afakomaly. Trano mbola tsy vita ity nahatrarana azy ity. Maka tsikelikely ireo kojakoja fampiasa amin’ny fanamboarana io trano io ity jiolahy ity. Tsikaritry ny manodidina anefa izany. Nandrasan’ny mpiambina kendry tohina ny fahatongavan’io lehilahy io. Tsy nanaiky nosamborina, nanohitra ilay mpiambina izy. Naratra vokatr’izany ity mpangalatra ity. Niditra an-tsehatra tamin’ny fisamborana azy ny zandary miasa ao an-toerana. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana io jiolahy io. Niaiky heloka, notanana hatao fanadihadiana ity mpangalatra ity. Atolotra ny fampanoavana izy aorian’izay.
Tsiferana R.