Naiditra am-ponja vonjimaika ireo telo lahy nisoloky olona maromaro tao Antsiranana, tamin’ny alalan’ny fanaovana feona kalanoro, afakomaly.
Mitarika ireo olona sasany mitady harena ireto mpisoloky ireto. Resiny lahatra hanatona toerana. Manao ny feon’io zavatra io ireto olon-dratsy ireto. Resy lahatra tokoa ireo olona fa tena kalanoro no ren’izy ireo. Ampanaterin’izy telo lahy ireto izay manao io feo hafahafa io volamena, volafotsy miampy vola hatramin’ny finday eny amin’ ny Nosy Lonjo ireo izay tratrany. Toerana iray handraisan’izy ireo ny zavatra azony mandritra ny fisolokiana koa ny eny amin’ny kianja filalaovam-baolina ao Mitabe. Nitaraina teny anivon’ny mpitandro filaminana ireo lasibatra. Tsy vitan’ny voasoloky tamin’ny finday izy ireo fa very vola teny am-pelatanany.
Niroso tamin’ny fikarohana ny polisy, vokany, tra-tehaka ireo telo lahy niaraka tamin’ny finday, vola… azony tamin’ny fisolokiana.
Jean Claude