Toamasina : nidiran’ny jiolahy ny fiaran’ ny ben’ny Tanànan’i Sambava

Tandrevaka sa tena manao fihantsiana ny jiolahy? Ha­tra­min’ny tomponandraiki-panjakana ambony eto amin’ny firenena aza sahin’ny olon-dratsy kitikitihina ny momba azy. Nandritra ny atrikasan’ ireo governoram-paritra sy ny ben’ny Tanàna maromaro, om­aly, tamin’ny 11 ora sy 30 mn atoandro, nisy namaky teo anoloan’ny trano fandraisam-bahiny (kintana efatra) nivorian’izy ireo ny fiara 4×4 an’ny ben’ny Tanànan’i Sa­m­ba­va. Very tamin’izany ny ki­tapo iray misy antontan-taratasim-panjakana saropady, ahi­tana karapanondrom-pirenena malagasy sy maha mpizaka ny zom-pirenena frantsay azy, lelavola 1 500 000 Ar ary vola vahiny 80 euros, ara­ka ny fanazavan’ny ben’ny Tanàna. Niroso tamin’ny fanadihadiana avy hatrany ny zandary sy ny polisy satria an­isan’ireo niatrika ity atrikasa ity koa ny lehiben’ny zandary sy ny polisy ary ny tonian’ny fampanoavana ambaratonga voalohany, sampam-pitsarana Toamasina. Nitondra bajaj ireo jiolahy nandritra ity fanafihana ity. Andrasana, araka izany, ny fanadihadiana mo­mba ity raharaha ity satria misy camera de surveillance koa ao amin’ity toerana nivoriana ity.

Sajo/Jean Claude

Partager sur: