Razanamahasoa Christine : “Fantatro saingy tsy holazaiko ny nandroba tao an-tranoko”

Nitondra fanazavana fohy, manoloana ny fandrobana ny tranony, ny alin’ny sabotsy teo, ny filohan’ny Anteni­mi­e­rampirenena, Razanamahasoa Christine, omaly. Mazava ny nambarany. “Mahafantatra ny nahavita izany aho ary tsy ahiahy intsony. Tsy holazaiko anefa izany na tena fantatro aza. Ijoroako ny fanahy mibitsika ato amiko amin’ny fahamarinana”, hoy izy. Nan­te­riny fa mety tsy ho ny tenany ihany no iharan’ny tahaka izao. Niaiky kosa ity fi­lo­han’Andrimpanjakana ity fa mety ho izy no sambany ta­min’ny tantaran’ny Repoblika, niharan’ny fampihorohoroana sy fampitahorana tahaka izao. Nohitsiny anefa fa tsy hampihemotra amin’ny andraikitra raisiny amin’ny maha filohan’ ny Antenimierampirenena ny tenany izany. “Adidy sy asa ho an’ny tanindrazana izao ka tsy hihemotra na hilavo lefona. Hiady hatramin’ny farany ho an’ity Andrimpanjakana ity ary hametraka ny fahamarinana”, hoy ihany izy.
Etsy andaniny, nankasitrahany ny fandraisana andraikitry ny mpitandro filaminana manoloana izao raharaha izao. Anisan’izany ny eo anivon’ny zandary sy ny polisy, efa mandray an-tanana ny famotorana rehetra, amin’izao fotoana izao.

Lasa ny telefaonina sy ny ordinatera…
Tsiahivina, niseho ny alin’ny sabotsy 20 mey teo izany fidirana an-tsokosoko tao an-tokatranony, teny Andohan’i Mandroseza, izany ka nahaverezana telefaonina fampi­asan’ity lehibena Andrim­pan­jakana ity. Voarakitra ao anatin’izany avokoa ny fifandraisana rehetra. Lasan’ireo olon-dratsy koa ny “Ordinateur de bureau, écran plat” miaraka amin’ny “Unité Centrale”. Manampy izany ny poketra miloko “Marron”, misy vola. “Fantatr’ireo mpanao ratsy ny zavatra notadiaviny satria any anatin’ireo finday ireo avokoa ny mombamomba azy mivady manokana ary tsy nisy zavatra hafa very tao an-trano ankoatra ireo”, hoy ny fampahafantarana. Tsy nahitana fahasimbana ny fidirana rehetra tao an-trano, araka ny voalaza hatrany. Melohina tanteraka ny fihetsika toy izao satria ahina hisy hevi-dratsy ambadika kasaina hatao, araka ny fanambaran’ny “Com Pdt Assemblée Nationale” hatrany.

Synèse R.

Partager sur: