Efa nahazo 3 tapitrisa Ar… : tratra ny mpisoloky ho mpandefa mpiasa any Maurice

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talatamaty, teny Alasora, ny lehilahy iray misoloky ho mpandefa olona hiasa any amin’ny Nosy Maurice. Araka ny tatitra nampitain’ny zandary, ny volana febroary 2023 lasa teo, nifanena tamina vehivavy iray izy ary nilaza fa mahavita mandefa mpiasa any Maurice. Roboka tokoa ilay vehivavy rehefa avy noreseny lahatra. Nanome vola 3 tapitrisa Ar ity vehivavy ity mba hikarakarana ny antontan-taratasy rehetra hahafahana mihazo ny Nosy Maurice. Tsy hita intsony anefa ny nanja­vonan’ity jiolahy ity rehefa nahazo ny vola izy. Name­traka fitoriana teny amin’ny zandary ilay vehivavy. Na­nomboka teo ny fikarohana ka tratran’ny vela-pandrika teny Alasora izy. Nilaza izy nandritra ny famotorana fa maro ireo olona nosolokiany amin’ ity fandefasana olona ho any Maurice ity.

Jean Claude

Partager sur: