Nidaroka olona teny Avaradoha : naiditra am-ponja eny Antanimora ireo miaramila enin-dahy

Nidoboka eny amin’ny fonjan’Antanimora rehefa avy natolotra ny fampanoavana, omaly, ireo miaramila enin-dahy voarohirohy ho tom­pon’antoka tamin’ny fidarohana sy fandratrana ireo olona teny Avaradoha. Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera Facebook ny herisetra nataon’izy ireo. Nandray andraikitra avy hatrany ireo lehibeny ka nitondra ny raharaha teo anivon’ny zandary mpanao famotorana. Nanao fanambarana rahateo ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena manoloana ny fihetsika tsy mendrika nataon’izy ireo. “Misy ihany indraindray ny mivaona ka efa andraisana fepetra hatrany izy ireny amin’ny hanasaziana mafy ho an’ireo nanao fahadisoana”, hoy ny fanazavana. Nilaza ny handroaka azy ireo tsy ho anisan’ny miaramila intsony ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Ny zandary avy ao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava no nisahana ny famotorana. Nomarihin’ny zandary fa fandikan-dalàna ivelan’ny fanatanterahana ny asa sy ivelan’ny fotoana fiasana ity tranga niseho teny Avaradoha ity. Izy ireo avy hatrany no mizaka ny heloka vitany (infraction commise hors du cadre de service, faute personnelle). Ny alin’ny alarobia 17 mey 2023 teo ireto miaramila enin-dahy (roa miaramila kilasy voalohany raha efatra kilasy faharoa) nanakorontana sy nidaroka olon-tsotra telo ka niteraka faharatrana. Raha tsy misy ny fiovana, hiakatra fitsarana ny alakamisy 1 jona 2023 ho avy izao izy enin-dahy ireto ao amin’ny efitrano faharoa ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy.

Jean Claude

Partager sur: