Ny faha-5 ny volana mey, hita faty nihantona tamin’ny manga i Salohy, mpianatra tao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga. Ahina ho namono azy ny sakaizany sy ny tompon-tranony. Olona efatra naiditra am-ponja afakomaly, taorian’ny fanadihadiana.
Nidoboka am-ponja vonjimaika, afakomaly, ny sakaizan’i Salohy, ilay tovolahy namoy ny ainy, hita faty nihantona tao amin’ny faritry ny oniversite Ambondrona Mahajanga, ny 5 mey lasa teo. Voasaringotra tamin’ny fahafatesan’ilay tovolahy mpianatra izy. Nosamborina sy nanaovana fanadihadiana, ary migadra miaraka aminy izy mivady tompon-tranon’ilay namoy ny ainy. Mbola naiditra am-ponja ihany koa ny zandrin’ilay tovovavy.
“Mialoha ny nitrangan’ny habibiana, efa nisy ny disadisa teo amin’ilay niharam-boina sy ny raim-pianakaviana tompon-trano”, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny sampam-pitsarana mpanao famotorana. Ho an’ilay tompon-trano, nanana disadisa tamin’io tovolahy namoy ny ainy io izy ireo. “Efa nisy teny tsy voahevitra navoakan’ilay tompon-trano noho ny fananan’izy ireo vola tany amin’
ilay tovolahy maty”, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny talem-paritry ny polisy mpanao famotorana ao Mahajanga, kaomisera Raharinasy Jimmy Clarin, izay nisahana ny fanadihadiana.
Tsy afa-bela, anisan’ny niantefan’ny ahiahy voalohany ny sakaizan’ilay lehihaly namoy ny ainy sy ny rahavaviny. “Tady mifanandrify ny tranon’ny sakaizany sy ilay rahavaviny no hita nihantonan’ny vatan-dRatompokolahy ka nahavoasaringotra azy ireo”, hoy ny kaomisera Raharinasy. Notsindrian’ity farany fa misy mpanofatrano maherin’ny fito no mipetraka amin’ilay trano nisy ny tady.
Nifanenjehan’ny mpianatra
Tamin’ny fotoana nahitana ny nofo mangatsiakan’ilay tovolahy mpianatra, tonga nisambotra ireo olona ahiahiana hanokafana fanadihadiana ny polisy. Tafiditra tamin’ny fiarovana azy ireo nanoloana ny hatezeran’ny mpianatra sasany izany. Niray fo ny mpianatra ka nosamborin’izy ireo teny am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ilay sakaizan’ny maty sy ny rahavaviny. “Nandeha moto niaraka tamin’ny polisy hafa ilay rahavavin’ny sakaizany no tratran’ny mpianatra tamin’io fotoana io”, araka ny fanamafisan’ny kaomisera Raharinasy Jimmy Clarin hatrany. Notanana teny anivon’ny biraon’ny polisy. Natao famotorana kosa ilay sakaizan’i Salohy.
“Nanao fampiraharahana tamin’ireo mpianatra ny filohan’ny onivesite, niaraka tamin’ny mpitandro filaminana, ka votsotra ihany ilay nalain’izy ireo an-keriny”, hoy izy, nanohy ny fampitam-baovao. Niroso tamin’ny famotorana lalina ny tranga ny polisy taorian’izay, niafara tamin’ny fisamborana ny tompon-trano.
Natolotra ny fampanoavana sy ny mpitsara mpanao famotorana ny raharaha. Niafara tamin’ny fampidirana am-ponja vonjimaika azy efatra, miandry ny fotoam-pitsarana.
Tsiferana Randriatiana