Tsy manana fahefana hanova ny lalàm-pifidianana ny governemanta, volana vitsivitsy alohan’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. “Ny zava-misy: miroso isika, hataontsika araka ny voafaritry ny lalàmpanorenana ny fifidianana. Tsy maintsy amin’ity taona ity izany, izay takiana aminay mpitondra”, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny tatitry ny asan’ny governemanta, taona 2022, omaly. Fihaonana izay tsy narahim-panontaniana, teny amin’ny Antenimierampirenena, Tsimbazaza. Nohamafisin’ny lehiben’ny governemanta fa manahirana ny fanovana lalàm-pifidianana noho izy hanakorotana lamina maro.
Mikasika ny datim-pifidiana, nohamafisin’ny Praiministra fa betsaka ny mametram-panontaniana mikasika izany. Nambarany fa efa nilaza ny Ceni, araka ny telegraman-dry zareo fa tokony ho amin’ny 12 jolay no hamoahana ny fanaikana mpifidy handatsa-bato. Mbola haka ny hevitry ny HCC ny governemanta, aorian’izay. Nohamafisiny fa tsy misy ny lalàna manery azy ireo hamoaka datim-pifidianana.
”Farafahelany 90 andro mialoha ny fifidianana ny fanaikana mpifidy. Raha fantatra fa amin’ny volana novambra, ohatra, no tokony hanaovana fifidianana, ny dikan’izany, ny 90 andro mialoha izay farafahaelany: volana aogositra no tokony hanaovana fanaikana mpifidy amin’ny datim-pifidianana azo avy any amin’ny Ceni”, araka ny fanazavany.
“Ambarako eto fa hametraka ny lamina rehetra ny governemanta hanampiana ny Ceni hanao ny asa tokony hataony mba hisian’ny fifidianana amin’ity taona ity”, hoy izy momba ny vola enti-manana ny fanatanterahana fifidianana. ”Tsy afa-miandry mandritra ny firy taona fifidianana, fa ny fampandrosoana ny firenena no anisan’ny zava-dehibe amin’izay tokony hatao. Zava-dehibe ny fijerena ny olana mahazo ny vahoaka malagasy, anjara andraikitry ny fitondram-panjakana ny mijery an’izany rehetra izany.Tsy maintsy hijery hatrany ny tombontsoa ambonin’ny firenena isika”, hoy ihany izy.
R. Nd.